Edito

Sanatria hijanona ho mistery ve ?


  • Sabotsy 23 Jolay 2016

Samy mbola miandry ny rehetra hatramin’izao hoe : fa inona no tena marina momba ilay zavatra nipoaka teny Mahamasina ny takarivan’ny 26 jona nandritra ny podium ka nahafatesana sy naharatrana Malagasy maro be.


Tsy hoe rehefa misy olona miditra eny am-ponja akory dia milamina ny raharaha, misy ny olona ahiahiana, misy ny voatonona anarana saingy tsy tena mbola mazava izao hoe :inona ary no tena anton’iny ? Asa fampihorohoroana tahaka ny misy any am-pitan-dranomasina ka misy ifandraisany amin’ny resaka silamo mahery fihetsika ve sa fanakorontanana noho ny antony ara-politika sa tena fiketrehana famonoan’olona diso adiresy tampoka, sa olona niady sa inona …Manjavozavo be. Efa maro ihany mantsy izay tranga mijanona ho mistery teto Madagasikara izay, hany ka fiarahamonina miaina ao anaty tebiteby lava sy tsy fifampatokisana ny fiarahamonina Malagasy io no mahasarotra ny fampihavanam-pirenena sy tsy mety hisian’ny fiaraha-mientana eto mihitsy.Milaza anefa ny mpitandro filaminana eto amintsika fa matihanina amin’ny asany , ny mpitondra fanjakana mamerimberina fa tsy hilefitra ary tsy maintsy hahazo ny sazy faran’izay henjana izay nahavanon-doza. Ka iza marina ary ireo nahavanon-doza e ? Na ny atidoha nikotrika io na ny mpanatanteraka.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT