Edito

Samy valalabemandry


  • Alatsinainy 07 Novambra 2016

Atao hoe tompontrano mihono toy ny vahoaka madinika miha leo politika amin’izao fotoana izao koa ny mpitondra, mahamenatra tsy misy toy izany.


 Raha lazaina indray fa maharaka ny antsipirian-java-misy eto amin’ny tany sy ny firenena anefa dia hisy koa ireo maika ny hamaly hoe tsia avy hatrany. Ireo fitsaram-bahoaka manjaka fotsiny dia efa porofo tsy azo lavina. Samy misy fahamarinany sy efa voaporofo matetika tamin’ny raharaha maro natrehan’ity fitondrana ity tao anatin’izay telo taona latsaka kely izay avokoa fa tena toy ny tsy mahalala na inona na inona amin’izay mitranga eto amin’ity nosy ity mihitsy nefa ny fihetsik’ireo mpitondra ankehitriny. Any anaty atrikasa sy fivoriana isan-karazany mba samy mody milaza ihany hoe mampalahelo ny any atsimo kanefa dia tsy mbola nahitam-bahaolana foana hatramin’izao ny hain-tany sy ny kere. Ny Israelianina anefa tany amin’ny taona 70 dia efa nahita vahaolana nahafahana namboly legioma tany amin’ny tany hay, izany hoe 40 taona lasa izay. Farafaharatsiny, na dia ny haka tahaka fotsiny aza ve tsy ho vita ? Amin’izao fotoana, mandindona ny fanjakazakan’ny mpitrandraka sinoa avokoa ny any Soamahamanina sy Bealalana ary toerana maro samihafa toa an’i Tsarazaza –Fandriana izay tranga niseho farany teo. Dia tsy misy azon’ity fitondrana ity atao mihitsy ve manoloana izany ? Ny vahoaka aloha raha mitohy izao dia valalabemandry hatrany. Ny mpitondra koa ve sanatria… ho anisan’izany ?

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT