Samy tsy mahatratra tanjona !

Akoho tsy naneno ohatran’izay efa laninn’y kary !


  • Zoma 23 Mey 2025

Mahafehy ny zava-drehetra mikasika ny fitantanana Firenena ankehitriny io,

raha fintinina amin’ny fomba tsotra. Ho an’ny mpitondra Fanjakana, efa tsy avotra intsony raha aty amin’ny faha-7 taona sy tapany nahavoafidy mbola propangandy lava ihany. Tsy resahana intsony ny efa fitantanana tamin’ny tetezamita sy ny tohiny, izay efa nampanantenana paradisa ho an’ny Malagasy fa mandrak’ity ny androany, mbola loza sy fahantrana lalina no hotazana. Efa lainga amin’ny taonina fa tsy amin’ny kilao intsony ny filazana hoe : « calme fa tsy ataoko mahantra intsony ianareo », « ho hitanareo fa tsy miandry fiarafaran’ny taom-piasana dia hiova i Madagasikara »,… Tsy resaka fankahalana na fanenjehana mpitondra be fahatany, fa efa ela izay nilalaovana saim-bahoaka izay, ka sarotra ny hino fa hatramin’izay efa am-polo taonany izay tsy hita izay tena vokatra azo norefesina tamin’ny toekarena sy ny fari-piainan’ny Malagasy dia androany hilaza fa tena hisy fiovana goavana. Tsy maharo ny mpitondra ny ambara fa asa nataony, fampandrosoana lazaina fa nentiny,… ka ny zava-misy dia ny miaramila sy ny basy aman-tafondro tena ampiadiana. Ho an’ny fanoherana, na tiana na tsy tiana dia tsy tratra ihany koa ny tanjona na tany anaty fifidianana na tamin’ny fomba hafa dia ny fanaisorana ny mpitondra tsy mahomby. Mihodikodin-dava eo dia mivalombalona ny andro sy ny volana ary ny taona fa tsy misy vokatra. Ny tanjon’ny mpitondra hifikitra amin’ny seza amin’ny fomba ratsy aloha izao no toa mbola mandeha ! Vokany, miady irery ny vahoaka, tsy manana ianteherana, fa dia misotro ny rano tsy tiana lava ! Asa rahoviana vao hisy masoandro mihiratra ? Sao mba fotoana hifohazan’ny rehetra izao e ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT