Edito

Samy tsy mahafeno fepetra !


  • Alatsinainy 24 Aprily 2017

Hifarana ihany ity ny taom-piasan’ny fitondrana ankehitriny. Tsy mety tafapetraka ny fampihavanana tena izy


, tsy mety voatendry na voafidy izay tena tokony ho lehiben’ny mpanohitra, ny raharaham-pirenena anefa mitsingalam-boangidina sy tsy ambony tsy ambany toy ny lohalik’alika ka tsy hita izay handraisana azy fa ny eo ihany no mody ahodinkodina mba tsy ahafahan’ny valalabemandry maharaka izay ambonin’ny tany. Na inona na inona aloha lazaina, ny hitan’ny olona dia nody nimenomenona ny mpanohitra sasany teo nanoloana ny gaboraraka efa mampiaiky izao tontolo izao. Ny milaza azy ho mpanohitra sasany aza moa tsy nandrenesam-peo mihitsy fa mamono finday rehefa antsoina. An-kilany, ny mpitondra dia tsy hita izay andraisana ny tiany holazaina fa Raiamandreny, hono, izy ireo na tsy ho tonga mandrakizay aza ny famatsiam-bola ahafahana mamonjy ny firenena farafaharatsiny.  Atao inona mpanohitra tsy maharesy lahatra ny fanoherana ataony ? Atao inona mpitondra miala bala isak’izay mihetsika ? Mbola ho ela angamba vao hahafeno ny fepetra maha izy azy ireo marina ny mpanao politikantsika !

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT