Samy tsy hita ho antenaina!

Efa iaraha-mahalala izany izao fa tsy


  • Talata 13 Aogositra 2024

mandeha amin’izay laoniny io ny fitantanana ny firenena.

Samy hanana ny fanazavany ny zava-misy foana nefa na ho tiantsika na tsy ho tiantsika ny mpanao politika. Heverina fa mbola hiezaka hiaro ny fitondrana mijoro hatrany ireo mpanaradia azy mbola mahatsiaro ho voatery tsy maintsy miaradia aminy aloha hatreto. Tao moa no efa nilaza fa tsy olana na afaka 3 volana io governemanta io vao ho tendrena na koa hoe na ao aorian’ny fidiran’ny mpianatra aza, inona moa no olana? Mbola miala sasatra izao! Efa nanankianan’ny fitondrana ankehitriny ny fitondrana teo alohany, izay tsy ela fa ny fitondrana Rajaonarimampianina, matetika nefa ny hoe «ny raharaham-pirenena angaha moa miala sasatra?». Ny zava-miseho anefa dia toa ambonin’ny fialan-tsasatra mihitsy hatreto no ataon’ilay filoham-pirenena izay io fa mitety an’i Afrika rehefa avy nankafy lalao olaimpika. Samy tsy hita ho antenaina nefa etsy ankilan’izay ny fihetsika politika rehetra miseho fa tonga amin’ilay fomba fiteny izay izy ity moa hoe ny tranom-pody no vitan’ny vava! Nitabataba iny ny fanoherana fa feno 5 taona. Samy nilaza ny fihetseham-pony teo daholo. Tao ny nilaza fa mila hafainganina ny tolona. Ny sasany koa tsy dia mifanalavitra amin’izay fa hoe mila hamafisina na koa hoe handrombaka fahefana ary zary lasa fanontaniana apetraky ny mpanara-baovao koa aza ny hoe 5 taona nanoherana izany ve tsy efa midika ho fomba fanoherana tsy nahomby hatramin’izay? Sao dia mba ny fomba fanoherana no mila ovaina fa izany ve dia mila hankalazaina? Samy olon-dehibe mahalala ny tokony ataony nefa, hono, ka dia ho hita eo tokoa moa. Ny mpitondra heverina ho raiamandreny eto amin’ny firenena ity toa tsy mivaky loha amin’izay mitranga eto amin’ilay firenena izay oharina amin’ny tokantrano tokony ho tantanany amin’ny maha raim-pianakaviana azy. Ny ivelan’ny fitondrana izay andrandraina ho balizy koa anefa etsy ankilan’izay, toa be noho vitsy ireo tena sahy mijoro? Ny vahoaka kosa ao anatin’izany rehetra izany dia hita hatrany fa miha trotraky ny adin-tsaina satria samy tsy hita ho antenaina!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT