Edito

Samy tompon’andraikitra


  • Alakamisy 30 Aprily 2015

Fanontaniana masaka ao an-tsain’ny Malagasy maro ankehitriny ny hoe ahoana marina ary no tena hiafaran’ity resaka fampihavanana sy ny raharaham-pirenena ity ? Hisy ihany ve ny vahaolana hampilamina sy hampitony ny rehetra sa dia haharitra mandrakizay ny adilahy politika eto amin’ny firenena ?

 


Ao ny mahatoky fa tsy ela intsony dia hipoitra ny vahaolana, misy koa anefa no tsy mino ny hilaminan’i Gasikara noho ny toetra ratsin’ny mpanao politika sy ny toetran’ny vahoaka miraviravy tanana sy tsy tena manana foto-kevitra ijoroana. Aleo tsorina fa  tsy ny mpanao politika no tena manahiran-tsaina eto, fa ny vahoaka mihitsy no manaiky lalaovin’ny mpanao politika. Tsy ifanomezan-tsiny io satria fantatra ihany fa mbola ambany dia ambany ny fahalalana sy fahaizan’ny maro an’isa amin’ny Malagasy, hany ka mora ny mamitaka azy ireo. Na eo aza izany dia misy foana ny vahaolana ary tompon’andraikitra feno ny tsirairay, tsy misy afaka mialangalana izany. Tonga amina kihon-dalana iray indray i Madgasikara ankehitriny mitrika ny fampihavanam-pirenena. Maro ny zavatra azo ahitsy, hatsaraina ao anatin’izany ary ezaka mitohy io fa tsy hoe ho vitan’ny fivoriana mandritra ny 5 andro fotsiny. Tsy azo lavina fa tena mety misy ny kajy politika ao, fa dia anjaran’ny tsirairay no mandinika tsara e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT