Edito

Samy tompon’andraikitra


  • Talata 01 Jolay 2014

Mbola misy foana hatramin’izao eto amintsika ny mpampianatra nitsara fanadinana tamin’ny herintaona lasa, izany hoe 12 volana kanefa tsy mbola nandray ny tambin-karamany ihany. Efa fantatra tsara anefa fa tsy maintsy omena tambin-karama ny mpitsara fanadinana na ny mpanara-maso.......

Tsy vola be ilay izy nefa dia miverina isan-taona io olana io. Tahaka izany ihany koa ny karaman’ny mpampianatra sy ny vatsim-pianaran’ny mpianatra eny amin’ny oniversite, efa fantatra fa tsy maintsy omena isam-bolana kanefa dia andrasana misy fitokonana sy gidragidra vao avoaka. Dia hita ihany koa ny loto eny an-dalantsara amina minisitera na sampandraharaham-panjakana maro. Tena sarotra be ve no manadio azy ireny ? Tsy vita mihitsy ve ny mandamina ny fomba fiasa mialoha ny amin’ny 8 ora maraina idiran’ny mpiasa dia efa madio tsara daholo ny efitrano sy ny lalantsara rehetra, fa tsy efa misy olona mifamezivezy eo vao misy mamafa trano sy mandroaka fako amin’ny gony ! Maro be ny zavatra tsy mandeha araka ny tokony ho izy eto amintsika fa ireo aloha no notanisaina. Azo atao tsara ny manatsara ny fomba fiasa, ary tsy mila vola be na atrikasa lava be akory izany, fa azo atomboka avy hatrany. Rehefa samy mahatsapa tena fa tompon’andraikitra ny tsirairay dia mirindra ho azy ny fomba fiasa. Tsy maintsy mazava kosa anefa ny tondrozotra sy ny toromarika avy amin’ny mpitantana amin’izay atao. Mila manova toe-tsaina isika raha te handroso sy hanana fiainana tsara kokoa, fa raha mbola ny gaboraraka sy ny fitiavan-tena no mibahana dia vao miha hahantra aza isika Malagasy dia hifamono an-toerana eto. Mila mahira-tsaina sy mitsinjo hatrany ny tombontsoa iombonana ny mpitondra ary tsy maintsy mandray andraikitra koa ny mpiarabelona fa tsy miandry hokarakaraina lava eo foana, ary ny rehetra dia mila manaja ny fitsipika sy ny lalàna, izay isika vao afaka manantena fiovana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT