Edito

Samy tia tanindrazana


  • Alarobia 06 Novambra 2019

Somary nangatsiatsiaka ny andro voalohan’ny fampielezan-kevitra momba ny fifidianana ben’ny tanàna sy ny mpanolontsain’ny tanàna raha ny hita omaly.

 

 

 Misy amin’ireo olompirenena sasany aza no teo vao gaga hoe hay vare ka mbola misy fifidianana mbola ho hatrehina indray ato ho ato e ! Mpitondra fanjakana sy mpanapa-kevitra tsy ho tonga saina amin’izany angamba tsy ho tonga saina intsony. Zary mihalangalana manoloana ny fiainam-pirenena ny vahoaka. Heverina fa manana adidy ny amin’ny tokony hametrahana fanontaniana mikasika izany ny rehetra. Leo manoloana ireo ahiahina hosoka sy halabato ve sa torovana manoloana ny fahasahiranana andavan’andro izay tsy ahitana tara-pahazavana ho an’ny ampitso mihitsy? Na ho drindrangilo amin’ireo mpanapa-kevitra aza tsinona dia tsy azo ihodivirana na dia hatramin’izao azan y olana eo amin’ny resaka fidangan’ny vidim-piainana sy ny vidin-tsolika ary ny olana mikasika ny resaka jiro sy rano. Tsy dia tokony hahagaga loatra ireo mihazakazaka amin’ny fahazoana seza ho lehiben’ireo kaominina misy eto Madagasikara angamba ny zava-misy. Misy rahateo ny fanamarihana iray izay hoe isika rehetra dia samy tia tanindrazana. Fehezanteny amina dokambarotra iray izay izy io kanefa koa fampahatsiahivana rahateo ho an’ny Malagasy tsivakivolo fa izany isika ireo na handà io filazana io tahaka ny inona aza. Samy tia an’ity Madagasikara ity avokoa saingy ny fatran’izay fitiavana izay angamba no samy manana ny fetrany. Ao ny betsaka, ao ny eo ho eo, ao ny kely fa tsy mampino kosa angamba ny hoe tsy manana mihitsy ny sasany. Isan’ny azo hanaporofoana izany ny fientanam-pon’ny rehetra nandritry ny fifaninanana iraisampirenena momban’ny baolina kitra iray vao tsy ela izay. Hita ho sakana foana anefa, araka ny efa nambara, ny gejan’ireo rafitra iainana eto amin’ny firenena. Ahoana ary no hialana amin’izy ireny?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT