Dia tsy re feo intsony tokoa ny filoham-pirenena rehefa avy nanao fanambarana goavana fa misy eto Madagasikara ny akora fototra hahafahana manamboatra ny fanafodin’ny Coronavirus.
Mafy sy mateti-piavy tokoa angamba ny fivoriana ka tsy manana na dia 30 minitra isan-kariva monja izy hiresahana ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana.Resaka izany any anaty fiarahamonina izany, nitovy tamin’ny taorian’ilay hoe voafehintsika io.Lasa tsy matahotra intsony Ramalagasy, mety maro koa moa ireo mandray an-tendrony ka tonga dia nanaboribory resaka fotsiny hoe : efa misy fanafody izany ka inona no hampitaintaina intsony.Tena mbola lavitr’ezaka anefa ny dia, mbola goavana ny asa satria tsy vita indray mipi-maso izany manamboatra fanafody sy manatosaka azy eny amin’ny tsena izany.Miverina any amin’ilay fanentanana voalohany ihany aloha ny resaka dia ny fanajana ny toromarika ka mihiboka an-trano.Mampihoro-koditra tokoa ny mahita sy mahare ny vaovao any am-pitandranomasina fa tena sanatria isaina isa-minitra ny maty, lasa mivadika hopitaly sy tranom-paty ny kianja, ny magazay goavana.Tsy homby intsony ireo « cimetière » fa tsy maintsy mandavaka etsy sy eroa handevenana ireo matin’ny Coronavirus.Kofona tanteraka ny toekaren’ireo matanjaka.Tototry ny kihana sy ny esoeson-teny ireo mpitondra satria toa mitarazoka fanapahan-kevitra…fa iza tokoa moa no niomana hoe handripaka ain’olombeloa tahaka izao ny Coronavirus ? Ny fitandremana sy fahamailoana ihany no fiarovana tsara indrindra hatreto aloha ; ny resaka fanafody sy vaksiny izany dia mbola vahaolana mety hivadika ho olana goavana atsy ho atsy satria manao hazakazaka arahin-tosika samy te ho lohany amin’ny fanamboarana ilay fanafody ny rehetra : Sinoa, Israeliana, Frantsay , Amerikana, efa tafiditra ao koa izany ny Malagasy ankehitriny.Iza no handrombaka ny amboara ? iza no ho voahosotra ho mpamonjy izao tontolo izao sy ny zanak’olombelona.Aoka aloha tsy ho diso hevitra na hanonofy be loatra..mbola olombelona ihany isika fa tsy Andriamanitra tsy akory !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.