Samy te hisongadina!

Samy te hisongadina hatreto ireo tandapa anatin’izao fitondràna izao,


  • Alarobia 22 Janoary 2025

raha ny fihetsiketsehana miseho sy fanehoan-kevitra hita samihafa! Tsy fantatra mazava

aloha izay tena antony. Mila 19, araka ny fitenin’ny tanora, amin’ny filoham-pirenena ve na koa hoe mila ranondranony te hiseho fa mihetsika sy manao zavatra? Samy miandry ny vokatra etsy ankilany ny olompirenena na dia repotry ny fitadiavana isan’andro izay efa tena tonga amin’ilay fanamarihan’ireo sendikalista amin’ny hoe sady tsy asa mendrika no tsy mahavelona aza. Efa hiaraha-mahalala hatramin’izay ny fahaizan’ity fitondràna ity milalao serasera ary nahagaga ny mpanara-baovao maro ihany ny filazàn’ny filohan’ny antenimieram-pirenena tamina haino aman-jery vahiny iray hoe misy olana ny lafiny serasera eto. Tsy hidirana lalina intsony moa iny satria hevitr’ity raiamandreny ity na dia niteraka adihevitra maro samihafa aza. Ny banky iraisampirenena sy ny tahirim-bola iraisampirenena no namoaka tombana fa isan’ny firenena mahantra eto ambonin’ny tany i Madagasikara, ankoatran’ny filazàn’ilay tambazotra soisa Watson hoe isika mihitsy no mahantra indrindra eto ambonin’ny tany. Misy tarehimarika na «statistique» sy tondro na «indice» samihafa nokirakirain’izy ireo nialohan’ny namoahana izany fandaharana izany fa tsy notsoriny tamin’ny hoe misy tohamboivoy eto amin’ny renivohim-paritany na feno olona miantsena anaty tsena lehibe fotsiny. Ahoana izany ireo kere any atsimo, izay hatramin’ny rano miandrona efa nitsahin’ny fiarakodia aza mbola tsihifiny ho sotroina? Ahoana izany ireo havantsika any Kandreho mbola mianatra anaty efitrano tsy misy tafo ny mpianatra? Ahoana ny any Tsaratanana izay mbola ilàna dia an-tongotra 3 andro aorian’ny fandehanana fiarakodia sy traktera vao tonga ao aminy raha miala avy aty Antananarivo? Tena miasa ve ny fitondràna sy ny governemanta tarihiny ao anatin’izany rehetra izany sa rehefa hitan’ny filohan’ny filoham-pirenena mihetsiketsika hoe midina ifotony atsy sy aroa dia ampy? Heverina fa mpikamban’ny governemanta samy te hisongadina aloha no tena miseho lany hatreto fa andrasana izay tena vokatra mivaingana amin’ny asa ataon’izy ireo!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT