Edito

Samy te hanangana


  • Talata 04 Desambra 2018

Kodiaran-tsarety ny fiainana ary tsy misy mahalala izay haloaky ny ampitso.

 Samy resy lahatra angamba ny rehetra fa mitady ho rotiky ny fisamatsamahana sy ny fanavakavahana ankehitriny ny fiarahamonina Malagasy izay nanjakan’ny fihavanana sy fifamelomana nahalalana azy faha Ntaolo. Na dia eo aza anefa izay loza mitatao izay dia mbola misy minia mandrangitra adim-poko sy firazanana foana, indrindra tao anatin’izao fotoam-pifidianana izao. Hita ho samy miha tonga saina anefa ny rehetra manoloana ny zava-misy. Miatomboka any amin’ny sarambabem-bahoaka io ka hatrany amin’ireo mpisehatra politika na dia ny zava-nitranga omaly tontolo andro ihany aza no atao malaza. Tapa-kevitra ny maro fa hanohana izay heveriny ho mpanangana fa tsy mpandrava. Samy nahita ny fahapotehana nitranga tamin’ny 9 taona lasa avokoa ny rehetra. Nanomboka potika daholo tamin’izay fotoana izay ny tontolo rehetra teto amin’ity nosy ity. Politika, sosialy, toekarena, kolontsaina ary na ireo soatoavina notandremana fatratra hatramin’izay aza miha very. Na ny filohan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana aza niaiky fa ity taona 2018 ity no fotoana mety indrindra ialana amin’ny gejan’ny fanjanahantany. Mazava izany fehezanteny izany. Hita ho vonona sy samy te hanangana ny rava ny rehetra. Ny fomba fiheveran’ny tsirairay hahatongavana amin’ny tena fananganana firenena angamba no samy manana ny azy. Hafa ihany anefa ny efa nanana fahavononana hatrany am-boalohany ary heverina fa tsy adala na sanatria tsy mahay mandinika ireo kandida hafa marobe nisafidy ny hanohana azy nanomboka omaly. Na ilay mpifaninana aza moa dia nanambara fa mba te hanangana koa, hono, izy. Andeha ho lazaina ho dika mitovy intsony izay fanambarana fohiny izay fa ny hamarinina hatrany dia ny hoe isika rehetra izany no samy te hanangana ka ny tsara indrindra dia ny miara-dia amin’izay tena efa fantatra tokoa fa tena mpanangana.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT