Edito

Samy sahirana e !


  • Zoma 19 Oktobra 2012

Ny fiakaran'ny saran-dalan'ny taksibe eto Antananarivo Renivohitra indray izao no miteraka adihevitra etsy sy eroa tamin'ity herinandro ity.

 Tsy honohono intsony mantsy ilay izy fa dia efa misy afisy mipetaka anaty taksibe mampiomana ny mpandeha. Fanapahan-kevitry ny UCTU na ny fivondronan'ny mpitatitra eto an-drenivohitra izy io. Ny fahitana azy dia efa tongotra mby an-dakana ny an'ireo mpitatitra ka ho sarotsarotra ihany ny handresy lahatra azy ireo hiverina amin'ny fanapahan-keviny. Nilaza ny minisitry ny fitaterana omaly fa tokony mba nifampiresaka aloha mialoha ny fanapahan-kevitra tahaka izao. Ireo mpitatitra kosa dia nilaza fa efa maro be ihany izay resaka natao tamin'ny fanjakana izay, saingy tsy nahitam-bahaolana.

Tsy afaka ny handefitra foana izahay, hoy ireo mpitatitra. Fiarovan-tenan'izy ireo moa ny hoe : tsy mba nanome fe-potoana iomanan'ny mpanjifa no sady tsy niera tamin'ny fanjakana ireo kaompania vahiny efatra fa tonga dia nampisondrotra ny vidin-tsolika, satria milaza fa maty antoka izy ireo. Ka nahoana moa no rehefa ny mpitatitra no mampisondrotra ny saran-dalana dia tsy maintsy hiera ? Tena hampitombo ny fiantraikan'ny krizy amin'ny isan-tokantrano ity fiakaran'ny saran-dalana eto an-drenivohitra ity. Ny ankamaroan'ny olona nanontaniana dia nanambara fa tsy zaka izany 400 Ariary izany.

Mila mahita vahaolana haingana noho izany ny fanjakana raha te hampilamina sy hampitony ny resaka sosialy eto. Raha mitarazoka mantsy ny fikaroham-bahaolana dia tsy maintsy ho avy ihany ny mpanao politika hijapy masinina ka hivadika zavatra hafa ny raharaha. Efa nisy ihany ny fifampidinihana saingy samy nihizingizina tamin'ny heviny ny roa tonta, ka nikatso ny resaka. Izao anefa dia tena efa halohalika ny ranombary, ka tokony samy ho tonga saina na ny fitondrana tetezamita, na ny mpitatitra, fa tena ho ratsy ny fandehan'ny raharaha raha toa ka mihatra marina io 400 ariary io.  Ny taksibe sasany rahateo, dia sady mandika lalana no tsy manaja ny mpandeha kanefa maika hampisondrotra saran-dalana.Azo antoka ve fa hiova hihatsara manomboka amin'io 1 novambra io ny fomba fiasan'ny taksibe ka tena hitohy haharitra izany, fa tsy hoe mody manara-penitra sy manara-dalàna mandritra ny herinandro dia miverina gaboraraka indray avy eo ?

Ny tena loza ihany koa dia tsy maintsy hiakatra ny vidin'entana eny an-tsena raha vao miakatra ny saran-dalana, koa dia tsy maintsy himenomenona ny olona, dia hitatra be ny resaka ka tsy hay intsony izay hiafarany. Raha ny tokony ho izy dia miverina miresaka indray ny ministeran'ny fitaterana, ny ministeran'ny vola, ny mpitatitra, ny kaominin'Antananarivo Renivohitra, ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa, ny polisy mandrindra ny fifamoivoizana dia dinihana miaraka ny zava-misy, fantarina ny tena olana dia karohana miaraka ny vahaolana amin'ity resaka fitaterana an-tanàn-dehibe ity fa tsy any anaty gazety sy haino aman-jery fotsiny no mifamaly. Mitombina fa sahirana ny mpitatitra, tsy azo hodian-tsy hita koa anefa ny fahasahiranan'ny vahoaka, koa anjaran'ny fitondram-panjakana ny mitady vahaolana sy mamorona ny tsy misy, fa tsy miala bala na manao don-tandroka hanasazy fotsiny e ! 

RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT