Edito

Samy resy! Mbola manako hatramin’izao moa izany


  • Zoma 26 Janoary 2024

ny fifidianana filoham-pirenena izay nampiady hevitra be farany teo mikasika

ny hoe kandida vazaha sy tokony efa very zom-pirenena malagasy kanefa dia mbola navela hilatsaka ihany. Nampiady hevitra ihany koa nony nivoaka ny vokatra ny hoe 2.000.000 tamin’ny vahoaka 27.000.000 izany no nandany fanindroany indray io filoham-pirenena malagasy ankehitriny io. Na atao hoe ampy taona koa aza dia mbola 2.000.000 tamin’ny 11.000.000. Na izany na tsy izany anefa dia mivoy ny fitondrana sy ny mpiaradia aminy fa nandresy izy ireo. Ny tena mahagaga aza dia mivoy ihany koa eny anaty fiarahamonina misy azy avy eny na dia mipetraka anaty trano hazo difotry ny rano rehefa fahavaratra ary mitete tafo aza ireo mpifidy azy ireo sasany hoe “izahay nandresy!”. “Inona no mbola hitabataban’ny mpanohitra fa izahay efa nandresy?” Na mitete ny trano, na difotry ny rano, na mifangaro ny ranona maloto avy any amin’ny lavapiringa sy ny rano fisotro, sanatrian’izany dia mbola hoe “izahay nandresy satria volomboasary”. Mampikaikaika ny delestazy sy ny tsy fandriampahalemana fa “izahay nandresy satria volomboasary no lokonay!”, “ianareo resy!”. Iza amintsika mbola samy taraiky miaina eto amin’ity Madagasikara ity ao anatin’izao fitondrana izao nefa moa no tsy mahatsapa any am-parahatony avy any fa samy resy isika mianakavy ity? Samy miofona io fakobe mitobaka eran’ny tanàna io. Samy mihorohoro amin’ity tsy fandriampahalemana isan-karazany ity. Mihorohoro amin’ny fanolanana, ny asan-dahalo, ny fanapahan-doha. Samy miaina anaty fahatapahan’ny herinaratra lavareny sy fahatapahan-drano miha tsy voafehy intsony. Fehiny, samy mbola anatin’ity firenena isan’ny mahantra indrindra eto ambonin’ny tany sady manana vahoaka noana betsaka indrindra ity. Samy resy saingy andrasana ny fifohazana faobe sy fahavononana tena ho any amin’ny fandresena marina!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT