Edito

Samy mila fanabeazana


  • Zoma 08 Janoary 2021

Rehefa mijery ny tsikera etsy sy eroa mikasika ny fihetsik’ireo mpanabe mitaky

 

 

 

 ny zony ankehitriny dia tsotra no azo atao tsoa-kevitra. Samy mila fanabeazana daholo manomboka any amin’ny fitondram-panjakana ka hatramin’ireo entin’izy ireo. Mety ho isan’izany koa aza ireo napetraka eo anivon’ny fiarahamonina Malagasy hisalotra izay anarana maha mpanabe izay mihitsy. Marary efa hatry ny ela ny fanabeazana eto Madagasikara. Zary tsianjery fotsiny izany hoe ny fianarana no lova tsara indrindra izany. Teny mahazo ny tian-kambara ao anatin’izany ve, ohatra, ny filoham-pirenena rehefa manao litania io fehezanteny io? Tena tokony omena tsiny ve ny mpanabe mandoro kodiarana raha mitaky karama tsy azo am-bolana maro? Tsy ny mpanabe ihany moa izany no niaina toe-javatra tahaka izao hatramin’izay nisian’ny fihibohana no nankaty fa saik’ireo mpiasam-panjakana rehetra mihitsy. Efa niaina izany tsy mandray karama 8 volana na aman-taonany izany ve ireo fatra-panome tsiny azy ireny na olon-tsotra io na mpitondra, na sanatria koa, mpikarama an’ady? Izay no antony hilazana hoe samy mila fanabeazana isika mianakavy. Fanabeazana hahatakatra ny fahorian’ny hafa fa eo koa ny fanabeazana mba tsy hihevitra lalandava ho tompon’ny fahamarinana sy ny mety hatrany.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT