Edito

Samy mila beazina


  • Alakamisy 06 Oktobra 2022

Andro manerantany ho an'ny mpanabe moa omaly. Efa iaraha-mahalala ny fitotongan'izany fanabeazana izany eto amin'ny firenena.

Na ny mahita eny anaty fiarahamonina eny fotsiny ny tondro molotra ataon'ireo olombelona tsy mahatsiaro ny tenany ho nandalo sekoly ireo mpampianatra fotsiny dia efa mankarary any anaty any. Vao maheno fotsiny ianao hoe mpampianatra iny dia ny tonga ao an-tsain'ny mpiara-monina avy hatrany dia hoe kely karama izany ireny. Vao mba mandalo mpivarotra tonga dia hoe tsy omena trosa sao tsy hahaloha izany trosa izany? Iza tamintsika olompirenena nefa moa no tsy nandalo mpanabe nialohan'ny naha toa izao azy ? Raha tiana ho potika, hono, ny firenena dia ny fanabeazana ao no tokony potehina voalohany. Tsy mahagaga raha potika farany mahantra sy fadiranovana ny firenena ankehitriny. Na ny mpitondra sy ireo efa nitondra aza mbola mila fanabeazana. Mbola mila hampianarina samy hiaiky ny tsy fetezam-pitantanany ary hanitsy izany. Mbola mila beazina tsy hivadibadi-dela ka hahatonga ny firenena mbola ho ao anatin'izao toerana misy azy izao. Samy mbola mila fanabeazana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT