Edito

Samy miandry


  • Talata 07 Janoary 2020

Ny any Iran sy Etazonia samy miandry ny hoe iza no hanafika aloha. Ireo mpanararaotra amin’ny lafiny rehetra eto amintsika koa samy miandry izay fotoana hahafahan’izy ireo mampandeha ny

raharaha mety hanimba fiarahamonina maro saingy mbola ezahan’izy ireo ho tontosa ihany. Isan’izay ohatra ny tranga nahatorana mpiasana orinasa afaka haba iray efa ho 70 isa ny sabotsy teo sy ny fandravana fiangonana iray tetsy Ankorondrano vao omaly. Tsy adino amin’ireny koa anefa ireo vahoaka, antoko politika, vondrona, fikambanana samihafa izay miandry ny hivoahan’ny fahamarinana mikasika ny fifidianana kaominaly natao teto amin’ny firenena ny 27 novambra 2019. Samy miandry ny rehetra ary hita ho mbetika milamina,mbetika mampisavorovoro vetivety eny aloha ny toe-draharaha. Rehefa dinihina tokoa dia hita ihany ny fahamarinan’ny voalazan’ilay kandida ho ben’ny tanàna iray izay hoe tsy misy maniry korontana eto. Raha ny fiainam-bahoaka anefa no dinihina lalina dia hoy ilay filazana iray izay hoe soa ihany isika fa Malagasy fa raha tany amina firenen-kafa angamba no misy toy izao dia asa fotsiny. Nampiakarina 13%, hoy ny filoha, ny karaman’ny mpiasam-panjakana. Ireo mpiasa tsy miankina izany hanao ahoana. Azo antoka anefa fa hiakatra ny vidim-piainana, raha ny toetran’ny Malagasy maro efa tafiditry ny kolontsain’ny fifanambakana sy tia kely ankehitriny, no jerena. Hivoy tsy ho ela koa avy eo ny hoe niakatra ny hetra sy ny haba ary ny vidin-tsolika. Resaka fizarana harona ho an’ny fety aza efa nigagana. Tao ny hoe akoho nifandrombahana. Solom-body akoho nisy “nikepoka”. Asa, inona koa no mbola ho avy fa ny rehetra aloha dia samy miandry.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT