Samy miala ilany!

Samy miala ilany daholo,


  • Alakamisy 08 Aogositra 2024

hoy ny fitenin’ny tanora izay! Ny mpitantana renivohitra sasany tsy hita popoka hoe lasa aiza.

Ny fiadidiana ny repoblika miala ilany mikasika ny raharaha mamatotra ny mpiara-miasa amin’izy ireo fahiny any ivelan’ny firenena any. Ny filoham-pirenena mihitsy moa dia io zary toa tsy mahapetraka an-trano io intsony fa mitady izay tetika hahafahana mivenjika atsy sy eroa. Toa tsy dia tsikaritra loatra any amin’ireo faritra misy ny nosy akory aza fa dia zara hoe nisy teo ny lalao olaimpika dia nanarinary dia tany Frantsa tany. Avy eo ireny tany Guinée Biseau ireny. Avy eo Angola dia asa hoe aiza sy aiza indray no manohy azy. Ny praiminisitra tsy manana minisitra aty mampahafantatra praograman’asa izay mbola an-kibon’ny omby ny hoe iza izany no hanatontosa azy? Eo dia toy ireny samy mifanafatra fotsiny ireny mihitsy hoe mba ataovy ao aloha re! Izay izany aloha izao no fomba hitantanan’ny mpitondra misy eto ny firenena. Samy mihainohaino! Samy mialangalana! Samy miala ilany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT