Edito

Samy miady ho lohany !


  • Alatsinainy 01 Aogositra 2011

Mampitombo ny fanantenana ny amin’ny ivoahana amin’ny krizy no sady mampisalasala ihany ny hamaroan’ireo olona na vondron’olona na fikambanana na koa antoko politika mijoro sy milaza fa ho mpanelanelana hampifanatona ny samy Malagasy mba hidinika sy hiady hevitra.

 Ny vahaolana mivoaka avy amin’ny fifampidinihan’ny samy Malagasy mantsy no ambara ombieny ombieny fa tena mitombina sy tsara indrindra ary hanavotra ity firenena ity. Farany teo izao dia niditra amin’ity sehatra fanelanelanana ity koa Atoa Fetison Rakoto Andrianirina izay efa lehiben’ny delegasiona Ravalomanana nandritra ireo dinika maro samihafa teto an-toerana sy tany ivelany. Nisintaka tamin’io ankolafy politika io mihitsy moa ingahy Fetison ary nanomboka asa vaovao ka efa namory sahady ny solontenan’ireo ankolafy politika vitsivitsy tao amin’ny Carlton ny faran’ny herinandro teo.

Tsara ilay hevitra, saingy maro ihany ny mametra-panontaniana hoe : moa va tena hanafaingana ny famahana ny krizy izany, sa sanatria hanitatra ny krizy sy ny tetezamita ? Tsy mazava amin’ny olon-tsotra ihany koa ny tena mpanelnelana na elanelam-panahy eto Madagasikara, ny FFKM ve, ny CNOSC ve sa ireo vondrona politika milaza azy ho Centriste, sa Atoa Fetison Andrianirina sa iza ? Ary raha miainga koa io diniky ny samy Malagasy tarihan’ny mpanelanelana malagasy io, dia inona no lanjan’ireo fivoriana rehetra notantanan’ny SADC sy ny GIC Madagascar ? Hifameno ve ireo sa zava-baovao hafa mihitsy no hivoaka amin’ny diniky ny samy Malagasy atao eto Madagasikara ? Tsikaritra ihany fa toa samy te ho lohany amin’ny fikaroham-bahaolana hamahana ny krizy ireo herivelona maro samihafa eto amin’ny firenena, ka toa hifaninanana izany ilay fiantsoana ny ankolafy politika hidinika ambony latabatra.

Mipetraka ihany koa ny fanontaniana hoe : f’angaha tsy mba afaka niresaka nitokana tany ambadika tany ireo mieritreritra ny hanelanelana dia nandrindra ny asa, ary izay vao mampiantso ireo vondrona politika ? Ankehitriny mantsy dia manjavozavo be ihany ny famahana ny krizy satria miady seza ny ankolafy politika. Ary miady ho lohany hitarika ny dinika ireo mpanelanelana, dia izao mifampiandriandry izao foana, ny andro sy ny volana anefa mandroso ary mitombo ny fahoriana sy ny fahantrana tsy maintsy zakain’ny Malagasy. Ary ny mampatahotra dia sao sanatria lahy ka tetika hampalaza ny tena sy hahazoana toerana atsy aoriana kely atsy na efa propagandy mialoha ny fotoana no mahatonga ny sasany misehoseho ho mpampihavana sy mpanelanelana, ka izay vao tena ho sahirana isika mianakavy e !


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT