Edito

Samy marary


  • Talata 06 Oktobra 2020

Mitombo isan’andro ireo aretina manerana ny nosy. Tsaboina koa ny saina fa tsy ny vatana ihany.

 

Mila fitsaboana na ny olona marary na ny hopitaly. Samy marary daholo na ny hopitaly na ny marary, hoy ry zalahy ao amin’ny tarika Mahaleo, raha nitantara ny tantaran’ilay dokotera hafahafa tamin’ny fotoan’androny. Mbola nampiany aza moa hoe marobe ireo fanafody no fanafody entam-barotra mampitombo ny harena fa tsy ny fahasalamana. Rehefa miverina mihaino sy mandalina, na dia ireo fehezanteny vitsivitsy anatin’ity tononkira ity, ireo fotsiny aza dia sarotra ny tsy ho kivy miheritreritra hoe efa tamin’izany fotoana izany no nahenoina toetsaina toy izay iainana ankehitriny ao anatin’izao ahamehana ara-pahasalamana eto Madagasikara izao. Nisy ihany koa moa ilay fomba filazan’ny mpanao politika iray azy izay hoe , Covid Business. Tsy any amin’ilay maha manasitrana na tsia ny fanafody misy eto loatra no maha lasa saina sy maha kivy fa ilay fisiana toetsaina mifono ao anatin’ny zava-misy izay toy ny mandrisika ireo vahoaka hangataka lava sy hiantso fitserana mesia hatrany. Manararaotra izay zava-misy izay avy eo ny mpitondra fanjakana mandoko politika ny sehatra rehetra hatramin’ny toekarena sy ny sosialy, eny, hatramin’ny fampianarana sy ny fahasalamana. Inona moa izany sisa no tsy miloko volomboasary eto amin’ity firenena ity? Nitondra fivoarana sy fampandrosoana ho an’ny firenena anefa ve izany hatreto? Rahoviana ihany isika vao hahay haka lesona ka tsy hamerina na sanatria, hanitatra mihitsy aza, ny adalan’ny teo aloha ?

 J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT