Edito

Samy mandeha samy mitady


  • Alakamisy 29 Desambra 2011

Nitrangana faharendrehana sambo indray tany amin’ny fari-dranomasina atsinanan’ny Nosy iny.

 Loza fanindroany niseho io tato anatin’ny efa-bolana monja. Samy tamin’iny Faritra Analanjirofo iny avokoa no nisehoany, ary ain’olona maro no nafoy tao anatin’izany. Na ny loza tamin’ny volana aogositra, izay nahafatesan’ny minisitry ny mponina Nadine Ramaroson, na ity vao nitranga ity, izay mpianatry ny oniversiten’i Toamasina ny ankamaroan’ny mpandeha tao, dia betsaka ny zavatra tsy mazava manodidina azy. Fanontaniana miverimberina ny hoe ara-dalàna ve ilay sambo ? Firy marina ny mpandeha nentiny ? Toa tsy misy fanamaranana mazava fa dia mandeha amin’izao, efa midona ny loza vao mikoropaka mitady fanazavana. Mitohy tsy miato ny hetsika politika eny ankianjan’ny Magro, ataon’ny ankolafy Ravalomanana, mitaky ny hampiharana ara-bakiteny ny tondrozotra izay efa nivadika ho lalàna taorian’ny fankatoavan’ny Parlemanta azy.

Nihenjana ny sendikan’ny mpitsara fa hanohy ny fitokonana hatramin’ny tapaky ny janoary 2012, ary tsy hisy hiandry raharaha. Mikatso efa ho roa herinandro koa izao ny asa fampianarana rehetra eny amin’ny anjerimanontolo, vokatry ny fitokonan’ireo mpampianatra mpikaroka mitaky ny handoavan’ny fanjakana ny tambinkaraman’izy ireo amin’ny ora fanampiny. Eny anivon’ny andrimpanjakana dia efa vaky ambatolampy koa ny fifanoheran-kevitra eo amin’ny filohan’ny tetezamita sy ny praiminisitra amin’ny fitantanana ny firenena. Mahazo vahana ny fanararaotam-pahefana. Samy mandeha samy mitady e !

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT