Edito

Samy mandeha samy mitady


  • Talata 05 Mey 2020

Tsy hita intsony izay ho raisina. Fanina tanteraka ny vahoaka manoloana ireo toromarika sy fanampahan-kevitra aroson’ny mpitondra azy.

 

 

 

 Samy te hisongadina ve sa misy tsy fifanaran-tsaina goavana efa maka toerana tsikelikely mihitsy ankehitriny ao ambony ao? Tapa-bolana in-3 izay. Hafa no lazain’ny filoham-pirenena hafa no tanterahan’ny aty ifotony. Toy ny efa manana ny ekipany avy izany koa aza ireo lohandohan’ny mpisorona eto amin’ny firenena. Ny praiminisitra sy ny minisitry ny fiarovana toa manana ny alehany sy ny fanentanana ataony ary tsy misaraka mihitsy. Ny filoham-pirenena koa efa manana ny ekipany. Ny minisitry ny serasera moa dia efa hatrany am-boalohany no nampametra-panontaniana ny maro ny ataony satria dia saika hita ho mifanipaka hatrany ny ankamaroan’izay lazainy sy ny an’ny filoham-pirenena. Efa “sekta” hafa koa ve ny azy sy ny ekipany, hoy ny vazivazin’ny mpanara-baovao? Tsy voafaritra mazava intsony izay tena andraikiny fa mitabataba mandritry ny 20 minitra eo saika isan’andro farafahakeliny ao amin’ny fahitalavim-pirenena ao dia avy eo koa matetika no hita etsy sy eroa. Raha fehezina dia fihetsika samy mandeha samy mitady no asehon’ireo heverina ho raiamandreny eto amin’ny firenena ka lojika raha toy izany ihany koa ny fihetsika asehon’ny vahoakany izay alaina sary ho toy ny zanaka ao an-trano. Ny filoham-pirenena moa izany, rah any mbola hita hatramin’ny alahady teo, dia sady Profesora, no mpahaitoetra na “psychologue”, hoy ny siantifika, no tomponandraikitra ara-barotra, no mpivarotra no tsy hay intsony fa toy ireny hainy sy azony sahanina ireny daholo ny zava-drehetra.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT