Edito

Samy manao izay tiany


  • Talata 25 Oktobra 2022

Rehefa miteny ilay mpanakanto iray izay ao anaty fampisehoany ao hoe “samy manao izay tiany” dia tena tsy hifankandrenesana amin’izay fotoana izay ny mivoaka amin’ny vavan’ireo mpankafy azy.

Ny sasany mioraka A, ny sasany “Ouh”, ny sasany tsy hay intsony izay lazainy na rediredy na ompa fa dia tena hoe samy manao izay tiany tokoa. Mandinika ny raharaham-pirenena ankehitriny dia lasa ny saina satria rehefa maheno ny hoe tsy nifanarahana izany, ohatra, ny latsa-bato nataon’ilay minisitra vao nesorina farany teo mikasika ny toerantsika manoloana ny ady ao Okrainina dia fanontaniana mipetraka ny hoe satria ve izay izany no tian’ilay minisitra dia nataony? Vita ilay izy vao samy mifanome tsiny hoe “tsy mbo za” na “tsy mbo izahay”? Ny praiminisitra manazava sy toa miaro ilay izy tamin’ny filazana hoe tsy Mankato fibodoana tany sy ny toy izany isika nefa ny aty amin’ny fiadidiana ny repoblika toa tsy miombon-kevitra amin’izay ary nanaporofo izany tamin’ny fanalana ilay minisitra. Samy manao izay tiany. Mandeha manao fivahinianana masina ny minisitra sasany. Volan’iza no nentiny tany ary angaha tsy misy asa tokony miandry azy eto? Samy manao izay tiany. Sainam-pirenena hampitana faneva misy kisarisary. “Tsy mbo za” no nahatonga azy iny, hoy ny minisitry ny fitsarana saingy dia navela nanao azy iny ve izany ny tomponandraikitra tao amin’ny tafika tao? Dia tena hoe samy manao izay tiany hatramin’ny farany mihitsy ve izany ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT