Edito

Samy manao izay tiany


  • Talata 25 Aogositra 2020

Samy manao izay reviny, hoy ny fitenin’ny tanora izay. Rehefa mijery ny fiarahamonina Malagasy amin’izao fotoana izao tokoa dia toa samy manao izay tiany daholo amin’ny ankapobeny manomboka any amin’ny mpitondra ka hatrany amin’ny vahoaka isanisany.

 

 

Nisongadina indrindra izany tao anatin’izao fahamehana ara-pahasalamana tena hirariana mba hadiva hifarana izao tokoa. Inona moa no tsy efa nitranga teto tao anatin’izay herintaona sy tapany mahery izay? Te hividy “bonbon sucette” ny minisitra sasany dia nividy. Te hanisy zava-baovao tao anatina vakoka ny mpitondra dia nanao. Io moa izao ny resaka fahitalavitra fisaka izay sambany teo amin’ny tantara no nahenoana izany hoe fanomezana avy any ivelany kanefa misy faktiora miaraka aminy ary tsy iza no mpivarotra sy mpividy voasoratra ao fa minisitra sy vadiny. Tsy nisy bedy koa iny. Manam-pahefana nandona olona tamin’ny fiara, voalaza ihany koa fa efa somary azonkazona alikaola sy naniratsira mpitandro filaminana saingy tsy naman’ny tsy nisy bedy ihany koa fa dia nametra-pialana fotsiny. Soa ihany aloha fa mba nahavita iny ohatra tsara farany iny hianaran’ireo hafa. Atao ny fanadinam-panjakana. Tsy misy fiomanana mahazatra toy ny fihibohana 40 andro ho an’ireo mpanomana laza adina fa dia hoe amin’ny herinandro fotsiny izany no mifankahita. Na ireo kilonga kely izay hiatrika izany manomboka amin’ny 1 septambra aza izany dia ny ray aman-dreniny no nosahiranin’ny fanjakana hampiomana azy ireo amin’izay fahaizany mampianatra an-janany eon a dia tsy mpampianatra aza izy ireo. Nosarihina tsy fidiny hanipy ny volany sy ny saram-pianaran-janany teny am-baravarakely ireo ray aman-drenin’ny mpianatra, indrindra, amin’ny sekoly tsy miankina satria sady tsy nisy mpampianatra nanara-maso ny zanany akory fa ireo enti-mody nasaina nalaina tany an-tsekoly fotsiny no mba novidiana tamin’izany. Mitotongana avo roa heny noho izay efa nisy ny fanabeazam-pirenena ary mampametra-panontaniana mihitsy hoe mbola fanabeazana ve ny fampirisihana ny olona hiantso ilay fiarovana ny vava sy ny orona iny hoe “arovava orona” raha toa ka azo fintinina tsotra amin’ny hoe “arotava”? Inona tokoa moa no mifanohitra amin’ny teny hoe fanabeazana fa toa maha lasa saina izao tranga samy manao izay tiany izao?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT