Edito

Samy manana ny rariny


  • Talata 19 Aprily 2011


Mibaribary ny raharaha fa tsy mbola misy zavatra milamina sy tony izany eto. Niezaka ihany ny nanatsara endrika ny tetezamita tarihiny ny alahady alina teo raha nitafa tamin’ny mpanao gazety i Andry Nirina Rajoelina, saingy mitombo isa ireo tsy resy lahatry ny kabary ambony vavahady intsony, ary tsy vitsy no nahatsapa fa mihodinkodina sy miala bala fotsiny ny filohan’ny FAT fa raha ny tena marina dia tsy misy zava-banona eto. Mbola ifandrirariran’ny fanjakana sy ny vondron’ny mpanafatra solika ary ny mpaninjara ny vidin’ny solika. Nametraka fitoriana eny amin’ny filankevi-panjakana indray mantsy ny vondron’ny mpandraharan’ny solika na GPM taorian’ny didy navoakan’ny fanjakana ny 12 aprily teo hampisondrotra 50 ariary ny vidin’ny solika. Nanambara ireo kaompania 4 lehibe ireo fa tsy mety ary tsy ampy mihitsy io fa tokony ho 300 ariary ny fampisondrotana.

Tsy nisy fampierana fa tonga dia nanapa-kevitra fotsiny ny fanjakana araka ny nambaran’ny GPM. Ny fitondrana tetezamita anefa tamin’ny alalan’ny filohany dia vao nanamafy ny alahady lasa teo ihany fa maka tombony be loatra ireo kaompania efatra eto amintsika ireo ary azo ambara aza hoe manararaotra mihitsy. Raha ny fahitana azy dia mety haharitra ihany ity fifanolanan’ny andaniny sy ny ankilany eo amin’ny vidin-tsolika ity, saingy ny mpanjifa foana no mizaka ny mafy sy miharitra ny zava-drehetra. Tsy fiandaniana n’iza n’iza mihitsy fa raha ampitomboina 300 ariary isaky ny litatra izany aloha ny vidin-tsolika eto Madagasikara dia azo antoka fa hitarika savorovoro ho sarotra fehezina izany, ary mety hitatra ho any amin’ny korontana ara-tsosialy goavana.

Eo amin’ny tontolo politika indray dia miandry ny fiverenan’ny filohan’ny FAT avy any Namibia ny zava-drehetra, satria azo eritreretina fa misy antony lehibe ny fihaonany amin’ny filohan’ny SADC am-perinasa, dia ny filoha Namibianina izany. Ireo maharaka tsara ny fifandraisana iraisam-pirenena dia mahita fa karazan’ny efa fanekena ny fitondrana tetezamita ihany izao fihetsiky ny SADC izao, ary hita mibaribary izao fa niasa mafy tany ambadimbadika tany ny diplaomasia Frantsay ho amin’ny fandresen-dahatra ireo firenena sy fikambanana iraisam-pirenena isan-karazany mba hanaiky sy hanohana ny FAT amin’izay amin’ny fikarakarana ny fifidianana. Ny fanjakana Amerikanina etsy ankilany dia tsy manaiky ary tsy hanaiky mihitsy ny fitondrana tetezamita amin’ny endriny misy amin’izao fotoana ary tsy hanome fanampiana ara-bola antsika na dia iray dolara monja aza.

Ny mpivarotra eto an-drenivohitra ao anatin’izany rehetra izany manomboka mampiaka-peo fa hoe tsy tokony mbola hampiasaina eto, hono, ny faktiora ; ny ankolafy 3 ao anatin’izany rehetra izany dia manam-pinoana hatrany fa tsy maintsy tafita ny tolona ka hijoro eto ny tetezamita iaraha-mitantana fa tsy azo ekena mihitsy izany hoe tetezamitan-dRajoelina sy ny ekipany izany no hanjakazaka eto. Dia izany mbola mihodinkodina am-pitoerana toa tandrimo izany ny fiainam-pirenena, tsy fantatra izay tena marina fa samy milaza azy ho manana ny rariny ny rehetra.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT