Edito

Samy manana ny problemany


  • Alatsinainy 21 Jona 2010


Sahiran-tsaina ny FAT, ny sazy tsy afaka, ny vola tsy azo, izao tontolo izao mila hanao fahirano an’i Madagasikara. Antomotra indray ny datin’ny 26 jona, mitombo ny fahasahiranan-tsain’ny FAT amin’ny fandresen-dahatra ny Malagasy hanangan-tsaina. Miasa loha ihany koa mitady ny fomba rehetra atao mba hamparesaka ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny fahaleovantenam-pirenena. Ny Malagasy 20 tapitrisa mitaitain-dava amin’ny tsy fandriampahalemana ny eny ambanivohitra, miady saina amin’izay harapaka isan’andro ny aty an-drenivohitra. Probleman’ny mpandraharaha indray ny adisanina samihafa mba hitohizan’ny asa fihariany, ho fitazoman’aina. Ny mpanao politika, hafa koa ny problemany, ny mahazo fitondrana mifikitra mafy amin’ny seza, manao izay fomba hijanonana ela eo, ny mpanohitra tsy mipetra-potsiny fa mitady fahefana ihany koa. Fianakaviana maro no mitaintaina ny amin’ny havany mila ravinahitra any Liban any, eo anatrehan’ny fahenoana fa mila ho isan-bolana no misy Malagasy mamoy aina na very saina na iharan’ny herisetra any. Any Afrika Atsimo, kitra eto no resaka, hafa koa ny problemany dia ny hahazoana ny amboara eran-tany sy ny volabe manaraka izany. Raha akapoka dia tsy eto ihany fa samy manana ny problemany. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT