Hafahafa be ihany ny fahitana ny toe-draharaha politika eto amintsika, ato anatin’izao vanim-potoan’ny rivodoza izao.
Nanao ampamoaka ny profesora Zafy, teny Ivandry. Anarana maro no voatonona tao. Nambarany ihany koa fa hiharan’ny gaboraraka sy kolikoly ny ministera 6, olony anefa no ankamaroan’ny minisitra ao amin’ireo. Manjavozavo amin’ny olona ny tena toerana misy ny ankolafy Zafy Albert. Miaraka amin’iza ary manohitra an’iza ? Sa ve manana fandaharan’asa hafa mihitsy ny eny Ivandry hanoloana ny tondrozotra, ka hampivaha ny krizy. Maro ireo mpanao politika manohana ny hitantanan’ny profesora Zafy ilay Komitim-pirenena momba ny fampihavanana (CFM). Ny manahiran-tsaina kely amin’izay anefa dia toa isehoana fivakisana sy tsy fifankahazoana ao amin’ny ankolafy Zafy Albert, ary tsikaritra fa misy amin’ireo mpanao politika manodidina an-dRaprofy no mampijabaka azy.
Raha ny ankolafy Ratsiraka kosa no resahana, dia toa nanjavona sy tsy hita tabilao intsony mihitsy izy ireo, hatramin’ny niverenan’i Deba any Frantsa, ary nijanonana any indray ao anatin’ny fotoana tsy voafetra. Fa inona no nitranga, niova hevitra tampoka indray ve ny amiraly Ratsiraka sa tratry ny teritery tany ho any ka nihemotra fa tsy sahy niroso ? Sa paikady politika daholo izany. Ao mantsy ny miteny hoe : tsy dia mampiraika ny Arema mbola miaraka amin’i Didier Ratsiraka loatra ity tetezamita ity, fa any amin’ny fifidianana izy ireo vao tena hanao zavatra satria mieritreritra ny haka fahefana, indray. Ireo mpiara-dia amin’i Andry Rajoelina indray dia toa samy efa maka ho azy. Tsy fantatra mantsy izay hitranga rahampitso koa aleo aloha samy miaro ny rambony tsy ho tapaka. Misavoritaka be ny fomba fiasan’izy ireo satria samy te ho lohany. Fa na dia teo aza, ireo namadika palitao sy saika nanapotika ny tolona, dia hita fa mbola mijoro ary manana ny maha izy, azy ny ankolafy Ravalomanana, tsy nahavita nanapotika ity ankolafy ity ny FAT na dia nanao izay rehetra mba hahatongavana tamin’izany aza. Matanjaka ara-poto-kevitra kokoa, raha ny fahitana azy ny ankolafy Ravalomanana, izay efa nahay nandray lesona ary niezaka nanitsy ny tsy nety tany aloha. Tolona nandritra ny telo taona no natao, tsy niato ny teny an-kianja, natao ihany koa ny teny ambony latabatra. Dia izao iaraha-mahita izao fa manana olona maro anaty fitondrana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ary mandamina tsara ny fomba hiverenany eto.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.