Samy manana ny milaminy!

Tsy fotoanan’ny korontana na fanakorontanana izao,


  • Zoma 24 Janoary 2025

hoy hatrany ny ambetin-dresaky ny filoham-pirenena sy ny eo anivon’ny fitondràm-panjakana malagasy

miaraka amin’ireo mpiaradia aminy. Rehefa tsy izay dia voizina ho mikononkonona fanonganam-panjakàna foana izao herivelona rehetra ivelan’ny fitondràna efa manamafy hatrany fa te hanolotra vahaolana manoloana ny fahasahiranana isan-tsehatra eto amin’ny firenena izao. Ilay hoe filazàna ny hafa ho fahavalon’ny fampandrosoana rehefa mitsikera ny tsy mety anatin’ilay fitantanana moa dia zary lasa maha vaky loha ny mpamakafaka sasany mihitsy hoe fa izao iainantsika ankehitriny eto amin’ity Madagasikara ity izao ve izany no antsoina hoe fandrosoana. Tena ny tahirim-bola iraisampirenena na ny banky iraisampirenena sy ireo sehatra iraisampirenena mahita fa miha milentika ity firenena ity tokoa ve izany no adala? Raha firenena tsy mahantra, tahaka ny nambaran’ny filohan’ny antenimierandoholona, marina izany ity Madagasikara ity dia firenena tahaka ny ahoana ry Etazonia, izay efa manitatra ny fireneny eny amin’ny planeta Martsa amin’izao fotoana izao na i Chine sy Japon, izay efa tena lasa alavitra amin’ny fifehezana tekinolojia? Firenena efa tsy tokony ho tafiditra anaty fandaharana mikasika ny tondro momba ny fampandrosoana intsony mihitsy ve izany izy ireny fa efa tsy hain’iza ho songonana intsony na hoe «hors normes», hoy ny fitenintsika? Tsy efa mikorontana ve moa izao toe-draharaha izao no mbola mila ho korontanina ihany? Samy manana ny milaminy tokoa angamba!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT