Edito

Samy manana ny mety aminy


  • Talata 22 Novambra 2011

Hafahafa ihany ny fandehan’ny raharaham-pirenena ankehitriny. Tsy mazava tsara ny lala-kombana sy ny tokony harahana.

Ny omaly tsy niova ihany no hita dia ilay hoe samy manana ny fandikany ny sori-dalana ny mpanao politika. Samy manana ny filazany ireo mpitarika ary samy mandray izay tiany horaisina sy metimety aminy ny olon-tsotra, misy moa ireo efa leon’ny sangodimpanina koa dia tsy manaraka vaovao politika intsony. Maro no mahita fa na misy na tsy misy governemanta dia mitovitovy ihany ny zava-misy satria sahirana ny vahoaka, tsy manana drafitra mazava hanalefahana io fahasahiranana io ny mpitondra, izay variana miady seza. Nataon’ny FAT hirahira tato anatin’izay 3 taona latsaka kely izay fa salama, hono, ny vola malagasy satria tsy nihen-danja be loatra raha oharina amin’ny dolara sy ny euro na dia teo aza ny krizy.

Asa anefa raha mba mijery sy mandinika ny fiainan’ny vahoaka isan’andro ireo manampahefana sahy milaza izany, fa raha tena mahita ny zava-misy any anaty Fokontany sy tokantrano maro any izy ireo dia azo antoka fa tsy ho sahy hieboebo noho ny fahasalaman’ny ariary tahaka izany. Salama ny ariary, saingy miha farofy isan’andro ny vahoaka. Iray volana teo ho eo izay dia mba nitsiry tany am-pon’ny tsirairay ny fanantenana ny amin’ny hivahan’ny krizy amin’izay, satria voasonia ny sori-dalana, afaka niray latabatra sy niresaka ihany ireo ankolafy politika nifanandrina sy nifanao vavabe tao anatin’ny roa taona, ary nahafinaritra ny maro ny nahita azy ireo nifandray tanana sy nifanoroka. Asa anefa na orok’i Jodasy araka ny fomba fiteny ihany ireny, na ahoana fa rehefa hoe handeha ary ampiharina amin’izay ilay nosoniavina dia niverina indray ny savoritaka tahaka ny nitranga taorian’ny Maputo.

Ary tena hita ho nizara roa mazava mihitsy ireo mpanao politika dia ny manohana ny FAT tarihan’i Andry Rajoelina sy ireo mpanohitra miara-dia amin’ny ankolafy 3 ; azo sokajiana ho mikarama an’ady politika kosa ireo milaza ombieny ombieny fa elanelam-panahy tsy momba ny atsy na ny aroa. Tojo kihon-dalana lehibe isam-bolana i Madagasikara, saingy tsy mety miroso mihitsy fa manao mandroso mihemotra. Tompon’andraikitra feno amin’izao fahasahiranana izao ny fianakaviamben’ny mpanao politika, tsy afa-miala ihany koa Atoa Andry Rajoelina, satria izy aloha izao no fantatra fa filoham-panjakana eto, ka vahaolana mahomby no andrasan’ny olona aminy fa tsy famonoana afo, na famendrofendroana na fialan-tsiny, na fialana bala, na fanasoketana ny hafa. Na dia eo aza anefa ny fahasosorana sy fahakiviana dia mbola maro ihany no manantena fa mba hifety milamina amin’izay ny malagasy amin’ity taona ity ary efa mba dingana vaovao amin’izay no atrehana amin’ny volana janoary fa tsy hiverina indray ny adihevitra amin’ny sori-dalana sy ny andininy ao anatiny, na ny fizarana seza ao anaty ministera, tokony efa mba tafatsangana ihany koa ny parlemanta handinika ireo lalàna ilaina amin’ny fiainanan’ny firenena fa tsy fanjakana gaboraraka tahaka izao no hiasa eto. Faniriana ihany izany fa samy manana ny … eritreriny koa io an !

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT