Samy manana ny

manahirana azy ! Mitodika kokoa any amin’ny


  • Alatsinainy 22 Jona 2026

fanamarihana ny faha-65 taonan’ny nahazoana

fahaleovantena ny fiainam-pirenena, efa somary mivolon’andro fety, ka somesibesy amin’izany ny ankamaroan’ny olona na eo aza ny fahasahiranana lalina iainan’ny besinimaro. Na ny resaka fikaonandoham-pirenena aza adinodino, ka izao indray vao manomboka resahan’ireo tompon’andraikitra nanankinana azy. Mety tsy dia irotorotoana ihany koa noho ny maha stratejika azy. Asa tena ho tafapetraka ho lalan-kivoahan’ny Firenena ve eo anatrehan’ny kajikajy politika mandeha izay iaraha-mahita ihany, raha ny fihetsika politika sasany mandeha. Manomboka miomankomana sy mametrapetraka ny kajiny ny mpanao politika sasany raha mbola sahirana any amin’ny fiainana andavanandrony ny valalabemandry. Samy mba miezaka manao izay fiomanana kely eo, indrindra mba hamalifaliana ny ankizy madinika amin’izao vaninandro fety izao. Hita taratra eny foana ilay elanelana eny amin’ny entina sy ny mpitondra, toa mihalalina ny hantsana lalina, raha jerena amin’ny ady tombotsoa ho an’ny olom-bitsy sy ny fahasahiranan’ny vahoaka madinika,… Dia mandeha ny karazana fifandroritana politika sy fifanaovana tsindro-paingotra madinidikina. Toa samy manana ny maharevo azy ny entina sy ny mpitondrana, na ny mpanao politika sy ny vahoaka ! Ekena ny ezaka sy ny finiavana ataon’ny Fanjakana, saingy toa betsaka ihany ireo toe-javatra maneho fa mandringa izany sy takon’ireo fanaovana politika somary efa vakiana fotsiny araka ny fitenin’ny tanora !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT