Nahazo filoham-pirenena vaovao isika tamin’ity taona ity, nahazo solombavambahoaka, nanana governemanta misy minisitra maro ary hitsangana tsy ho ela indray ny governemanta vaovao, hahazo ben’ny tanàna,…
Raha ny rafitra sy ny antanan-tohatra aloha izany, dia efa manomboka milamina sy mipetraka satria manana mpitondra mahefa afaka ny hiasa sy hiady ho an’ny vahoaka. Tena mizotra mankany amin’izany ve anefa ny firenena sy ny fiainam-bahoaka ? Tena misy miady ho an’ny valalabemandry tokoa ve sa amin’ny fotoana ilana ny vatony amin’ny fifidianana ihany no alaina ny fony fa aorian’izay dia samy miady ho azy,… Mandeha sahady ny adivaroratra tombontsoa, toy ny fiara tsy mataho-dàlana. Toa mbola nofinofy ny hisian’ny fiaraha-mientana hifampitsinjo sy hiara-kandroso satria samy manana ny maha maika azy. Ny an’ny mpanao politika sy ny manampahefana mety ny hampitombo ny ambaindain’ny vola aman-karena, ny fiara hositrahany,… fa ilay vahoaka madinika mpanome fahefana kosa mijaly amin’ny tsy fisiana arina fandrehitra, delestazy sy fidangan’ny vidin-jiro, vidim-piainana midangana isan’andro,… toa efa adino, fa miandry fifidianana ho avy indray vao hipatrapatraka ny ronono an-tavy. Tena manao fampiasam-bola ny mpitondra fanjakana rehefa zavatra azo hakana doka sy hahazoana tombontsoa politika, toy ny resaka fanatanjahantena. Raha vahaolana maharitra sy tena mipaka amin’ny isam-batan’olona kosa dia mbola lavitry ny kitay ny afo. Rehefa misy kely hahafahana manao serasera mipoapoaka, toy ilay vidin-tsolika nihena 100Ar toa tsy nampiova na inona na inona, dia mailaka sy miedinedina ery. Indrisy ry vahoaka tsy mandady harona !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.