Edito

Samy manana ny mahamaika azy!


  • Alarobia 11 Oktobra 2017

Samy manana ny maha maika azy ! Io azo hamintinana ny fihetsiky ny mpitondra manoloana ny zava-misy ankehitriny. Mirongatra ny pesta, manjaka ny fahantrana,

tsy manana asa ny ankamaroan’ny tanora izay ambara foana fa ho avin’ny firenena,… Mizotra mankaiza ny firenena amin’izao fotoana izao? Ny vahoaka miha milentika any anaty fahasahiranana mandifotr’olona, ary tsy misy mpijery sy mpiahy, fa fihetsika feno fihatsarambelatsihy sy fananararaotana ny fahavoazanan’ny Malagasy aza no tena ataon’ny fanjakana. Zavatra hany tarigetran’ny mpitondra dia ny hibodo seza sy fahefana, hamotika ireo mpifandrina atahorany,… Tsy afaka mampiasa ilay fankasitrahan’ny vahoaka intsony satria tsy manana izany, ka ny hery sy ny fahefana sisa hoenti-miady. Atao fahirano ny orinasan’ny olona atahorana, kotrehina hovaina ny lalàmpanorenana,… Mihevitra fa hahazo sitraka ve raha mbola hinia hanangam-pahavalo hamotika ny olona na orinasan’ny olona tsy mitovy hevitra amin’ny tena, izay mamelona ny Malagasy mpiray tanindrazana? Izany tokoa ve no hany vahaolana sy fandraisana andraikitra manoloana izao zava-misy efa iainan’ny Malagasy izao? Samy manana ny maha maika azy tokoa angamba e!

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT