Edito

Samy manana ny kolontsainy


  • Zoma 15 Mey 2020

Ny tanana zatra mitsotra, hoy ny Ntaolo, tsy afaka ny hivonkona intsony. Samy manana ny kolontsainy tokoa ny olona ka rehefa ela novolavolaina tao

 

 

 

 

anatin’izany dia tsy maintsy hoe lasa raiki-tampisaka ao aminy iny kolontsaina iny. 11 taona izao no nampalaza ny fitondrana Andry Rajoelina ho nitoeran’ny atao hoe kolontsain’ny seho ivelany. Tsikaritra ho tena tian’ny fahefana tetezamita tamin’ny fotoan’androny io fisehosehoana sy fanaingona manjelanjelatra ny tanana io. Etsy ankilany anefa dia nipetraka hatrany ny fanontaniana. Nitondra inona ho an’ny firenena moa izany ireny fisehosehoana sy fihetsiketsehana mbola tohizana hikoloana ny sain-dRamalagasy hatramin’izao ireny? Io izao nentanina nanerana izao tontolo izao ny hoe fiarovana tsara indrindra ao anatin’ity ady amin’ny valan’aretina COVID 19 ity ny fijanonana ao an-trano sy ny tsy fifampikasohana. Ny fitondram-panjakantsika anefa efa iarahan’ny rehetra mahalala ny ataony fa dia mbola io mampitangoron’olona amin’ny vatsy tsinjo sy tosika fameno ary ny namany rehetra io ihany. Hisy tangoron’olona mihoam-pampana toy ireny hita teny Mahamasina sy Nosy be ireny ve, ohatra, omaly, raha tamin’ny fotoana mahazatra fahiny? Na ny handray fepetra hamerina ny olona rehetra hiverina amin’ny fiainany amin’ny laoniny dia hanentana azy ireo hitondra arotava sy hitandrin-tena araka ny finiavany avy sy ny fahatongavan-tsainy fotsiny aza ve tsy fanapahan-kevitra mbola hendry kokoa? Hiady amin’ity valanaretina ity marina no tanjona sa ny hisehoseho etsy sy eroa?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT