Edito

Samy manana ny kajiny io e !


  • Talata 26 Jolay 2011

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly ny fotoam-pivoriana tsy ara-potoan’ny parlemanta dia ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita izany.

 Nampiantso ity fivoriana ity fivoriana ity moa ny filohan’ny FAT mba hahafahana manohy ny asa amin’ny famoahana lalàna momba ny fanatanterahana ny fifidianana, satria io ihany no ambaran’ny fitondrana tetezamita fa hamaha ny olana. Nanome fetr’andro ny CENI sy ny governemanta hatramin’ny 31 jolay ho avy izao mba hamaranana ny fanoratana anaty lisi-pifidianana ny mpifidy rehetra manerana ny Nosy i Andry Rajoelina ary nilaza fa aorian’io no hampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ny datim-pifidianana, dia mifanotona tsara amin’ity fivoriana tsy ara-potoan’ny parlemanta ity izany rehetra izany satria tsy mihoatra ny 12 andro no hivoriana eny Tsimbazaza sy Anosikely.

Etsy ankilan’izay koa moa efa midika zavatra maro ny dia maharitra tany Frantsa nataon’ny filohan’ny FAT, izay efa tsikaritry ny maro mihitsy fa tsy maintsy mandalo kely any Paris aloha vao manao zavatra na mamoaka fanapahan-kevitra lehibe, dia izao iaraha-mahita izao ny zava-misy. Efa fandaharam-potoana voafaritra mialoha ny fahitana azy fa tsy noho ny kisendasendra. Efa nambara teto omaly fa misy antony manokana izao fihetsiketsehana rehetra izao. Misy antony manokana matoa tsy be resaka amin’ny dian’izy mivady kely any ivelany ny ao an-dapa. Ireo minisitra moa dia efa mamovokovoka amin’ny fitsidiham-paritra manara-maso ny fanoratana ny lisi-pifidianana satria izay no baiko. Ireo antoko politika sasany koa dia hita fa efa manafana tena amin’ny propagandy ary misy mihitsy no efa nanao izany hatry ny ela. Mahazo tombony manokana ny ao amin’ny fitondrana satria afaka mampiasa an-kalalahana ny fitaovam-panjakana sy ny fahefany mba hitetezana faritra. Ao anatin’izany rehetra izany dia namoaka fanambarana ihany koa ny fiadidiana ny FAT fa hotanterahana ato ho ato ny fanaovan-tsonia ilay sori-dalana.

Ny mahalasa fisainana ny maro dia hoe : ilay sori-dalana manao ahoana moa izany ity ho atao sonia ity ? Iza avy no hanasonia izany ? Ingahy Ravalomanana aloha hatramin’izao dia manizingizina fa tsy azo ekena ilay sori-dalan-dry Simao hivavahan’ny FAT ary tsy hanasonia izany mihitsy ny tenany, tahaka izany koa ny filoha teo aloha isany Ratsiraka sy Zafy Albert. Koa iza izany no hanasonia ilay zavatra, ary azo ambara hoe manan-kery ve izy ireo raha toa ka filohan’ankolafy lehibe telo no tsy manaiky azy. Re ihany koa fa mbola mety hisy ny fikitihana sy fanitsiana ilay sori-dalana ary tsy ho ela dia avoaka ho fantatry ny rehetra ilay tena izy. Dia samy manana ny kajikajiny tokoa ka ! Ary hita amin’izao fa samy miketrika mangina ireo ankolafy politika fa tsy misy intsony ilay fifamaliana bontana isaky ny mihetsika. Andrasana ihany koa ny hambaran’ny fiarahamonim-pirenena amin’ny alalan’ny CNOSC izay manana ny kajiny ihany koa, izay milaza fa aoka izay ny asan’ireo mpanelanelana avy any ivelany fa aleo ataon’ny samy Malagasy indray ny raharaha. Samy manana ny kajiny eh !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT