Edito

Samy manana izay manahirana azy


  • Alatsinainy 01 Martsa 2010

Tsy mivalona ny fery any Haïti. Manisa ny maty vokatry ny horohorontany ny ao Chili. Ahiana mafy ny hisian’ny “tsunami”, mihorohoro izao tontolo izao amin’ity loza voajanahary tsy mampiomana nefa mandripaka ain’olona ity.

 

Mampiomana ary manantona ny sazy iraisam-pirenena. Ho zava-doza ny fiantraikany. Mikoropaka ny manampahefana isan-tsokajiny. Misy amin’izy ireo no efa manavotr’aina, ny hafa anefa mbola mamahatra sy mikiribiby mafy. Mampiantso atrikasa, fa hoe hanao teny ifampierana amin’ny datin’ny 4 sy 5 martsa. Tongava tongava mandray anjara hoy ireo Minisitra sy mpikambana amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita mifandimby miantso ao amin’ny haino amanjerim-panjakana. Aza ny votoatiny no jerena, hoy ny sasany fa ny fandraisana anjara no mitory fandraisana andraikitra eto amin’ny firenena. Tsy hisy hisambotra, tsy hisy nanosi-bohon-tanana eo, hoy indray ny hafa fa tongava maneho hevitra. May volontratra ny mpikarakara, fa tsy miraika ny maro. Miverimberina ny hoe : tsy hifanao fangala-piery na hifamitapitaka eto. Tsy voa androany i Andry Rajoelina no nampiantso hanaovana atrikasa, fihaonambe, fikaonandoha, fa tapitra nataony any anaty vatasarihana avokoa izany. Ka tokony hieritreritra izy ka hahatsiaro, fa misy zavatra efa nifanarahana, ary nankatoavin’izao tontolo izao. Hifandre antso ve ny hery velona rehetra eto an-tanàna sa mbola samy manana izay manahirana azy ihany ?
 
 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT