Edito

Samy manampatra


  • Alarobia 12 Oktobra 2016

Ny andaniny manampatra fahefana, ny ankilany kosa izany manampatra fahantrana. Dia samy mifanampatrampatra amin’izay tiany hanamparana eto isika mianakavy.

Mampivarahontsana ny mandre fa olona iray amin’ny zato no mahazo fahafaham-po amin’ny raharaham-pitsarana ao Ambovombe ary manjaka ao an-toerana vokatr’izany ny fitsaram-bahoaka. Manampatra ny tsy fahatokisany ireo tokony ho andry iankinan’ny fahafahany araka izany aloha ireo mponina any an-toerana, izany hoe, manampatra ny fahantrany ara-pahalalahana. Ny eo amin’ny fitondrana amin’io mba manampatra ny fahefany koa amin’ny fangejana ny asa fanaovan-gazety ka zara raha manome vaovao sahady mikasika ilay fihaonam-be iraisam-pirenena ery Ivato ery. Tsy lazaina intsony moa ny fanaovana be marenina ataon’izy ireo amin’ireo karazam-pitokonana miseho etsy sy eroa satria efa voafantsika eo amin’ny seza daholo. Manampatra hatramin’ireo mpivarotra amoron-dalana erak’ireo renivohim-paritany satria efa maro ireo mihevitra fa eto tsy misy tany tan-dalàna izany. Dia asa moa izay hiafarany fa ny hirariana fotsiny dia ny hoe enga anie isika samy manampatra io mba ho tonga saina mialoha fa tsy sanatria hiampatrampatra eto rehefa samy ho voa.

Faralahimatoa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT