Edito

Samy mamonjy ny tenany


  • Talata 24 Novambra 2020

Ao anatin’ny firenena miisa 7 be harena voajanahary, hono, i Madagasikara.

 

 

 Ao anatin’ny firenena miisa 5 mahantra indrindra eto ambonin’ny tany anefa raha ny fandaharan’ny rafitra iraisam-pirenena misahana izany azy. Ny miharihary indrindra eo amin’izay resaka fahantrana izay aloha dia eo ny ara-batana, raha tsy haka ohatra amin’ny fijalian’ireo havana any atsimo vokatry ny afitsoky ny kere fotsiny. Eo ny ara-panahy satria dia mirongatra izay tsy izy ireo Malagasy hita ho very fanahy mihitsy ka zary manaotao foana any anaty fiarahamonina any. Manolana, mandray sy mivarotra zava-maha domelina, mamono ny mpiara-belona, mangalatra sy ny maro hafa. Fahantrana ara-panahy miditra any amin’ny ara-tsaina avokoa izany. Mahonena ny mandre hatramin’izao fa hatreo amin’ny kilasy T3 no mijanona amin’ny fianarany ny ankamaroan’ny Malagasy. Aiza izany ireo hany mba vato nasondrotry ny tany hanavotra an’ireo sy ny fireneny ? Hita ho mbola manano sarotra na dia hatreo fotsiny aza ny resaka. Toa tsy mbola mila miresaka ireo nofinofy maro toy ny tranobe mitanjozotra anaty tanana vaovao sy ny fahazoana ny nosy manodidina akory dia efa tampina ny daomy? Tsy mahagaga raha hita ho samy mamonjy ny tenany anaty sambo vaky ankehitriny ny ankamaroan’ny Malagasy, indrindra, raha ny hita an-tanan-dehibe. Ilay fitondrana nampanantena Tanamasoandro, Miami, Flyover, Fiara Gasycar, CVO sy CVO+ ity toa tsy hita hiantsapazana fa nanafatra vakisiny hanindromana azy sy ho mangidy atete amin’ny vavany indray ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT