Edito

Samy Malagasy


  • Alatsinainy 03 Septambra 2012

Ankoatra ny resaka finoana amin’ny alalan’ny JMJ any Antsiranana dia mbola mitana ny sain’ny mpanara-baovao hatrany ny zavatra mety hitranga eo amin’ny tontolo politika, amin’ity herinandro vaovao ity.

 Ao anatin’ny dingana famahana ny krizy dia hiantso ireo vondrona politika nanasonia ny tondrozotra amin’ity herinandro ity, ny komity mpanara-maso ny fampiharana ny tondrozotra. Taorian’ny fihaonan’ny roa tonta tatsy Seychelles sy ny fandalovan’ny Troika-SADC teto mantsy dia velona indray ilay hoe : fifampidinihan’ny samy Malagasy. Maro ny mpanao politika mivoy an’io no sady manakiana ihany ny fomba fiasan’ny SADC izay voalaza fa misabaka sy manjavozavo. Efa noresahana teto ihany anefa fa efa fomba fanaon’ny sehatra iraisam-pirenena io sady tsy manaiky no tsy manda io. Ny tokony ho izy dia ny Malagasy ihany no mandamina ny krizy ao aminy, saingy noho isika diso miankin-doha be loatra amin’ny any ivelany dia tsy mahagaga raha miditra amin’ny raharahan-tokantranontsika ny vahiny.

Ilaina ihany ny hisian’ny fihaonana iray na roa na maromaro, eo amin’ny samy Malagasy ary mba samy mazava fo rehefa miresaka ao, tsy maintsy hisy aloha ny torapo satria izay no maha Gasy ny Gasy. Fa rehefa vita kosa izay ka samy niaiky ny fahadisoany dia irosoana amin’izay ny famoahana soso-kevitra handaminana ny krizy. Asa goavana izany ary tena mila ny fandraisan’andraikitry ny rehetra. Tsy tokony hohadinoina koa anefa fa misy ny mpanao politika, vondrona politika sy olom-pirenena tsotra tsy resy lahatra amin’ny tondrozotra.

Raha tena handamin-javatra marina izay mijoro ho mpitarika sy mpanelanelana eo dia mila dinihana io fironana iray io. Heverina, noho izany, fa ho fanombohana ihany ity fampiantsoana fivoriana ataon’ny komity mpanara-maso ny fampiharana ny tondrozotra ity, fa kosa aorian’izay dia hitatra kokoa ny fihaonana. Ny fifampidinihana ihany no lalana tsara indrindra ivoahana amin’ny krizy ary tsy safidy azo heverina, mihitsy ny ady sy fifandrafiana. Raha sanatria mitombina ny hoe : tsy mahomby ny tondrozotra dia tokony efa hokarohana haingana dia haingana ny hevitra hafa asolo azy ka hakana hevitra ny amin’izany ny herivelona rehetra eto amin’ny tany sy ny fanjakana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT