Edito

Samy maka ny azy


  • Alatsinainy 22 Novambra 2010


Mizarazara ny hevitra taorian’ilay fikomiana nataona andiana manamboninahitra teny amin’ny BANI Ivato. Tao ireo nilaza fa hetsiky ny very seza sy ny tsy tia an’izao tetezamita izao iny, tao koa ny nanambara fa fampisehoan’ny miaramila ny tsy hafaliany noho ny fanaovan’ny mpitondra sy ny mpanao politika ho fitaovana ny foloalindahy iny hetsika iny, teo koa ny nilaza fa hetsika ara-politika misy ifandraisany amin’ny Ankolafy Telo iny, ary ny tombantombana farany dia ny hoe sinema fotsiny no natao teny Ivato nanjonoana ireo manamboninahitra tsy mety manaiky izao fitondrana tetezamita izao, na mifandray tendro amin’ireo filoha teo aloha. Ity vinavina farany ity no toa maharesy lahatra ny maro amin’izao fotoana, satria efa mba hita ihany ny zava-nitranga teny amin’ny FIGN, mety azo hanaporofoana izay ihany ny fahitana fa nalefa eny Tsiafahy avy hatrany ny sabotsy lasa teo, ora vitsivitsy taorian’ny nisamborana azy ny jeneraly Raoelina, talen’ny fiarovana ny filoham-pirenena tamin’ny fitondrana Ravalomanana no sady tondroin’ny FAT ho tompon’antoka tamin’ny fitifirana teny Ambohitsorohitra ny 7 febroary 2009.

Nalefa niaraka aminy eny ihany koa ny kolonely Coutiti, izay ambara fa miaramilan’ny amiraly Ratsiraka efa hatry ny ela. Mbola mandeha moa ny fanadihadiana momba iny raharaha iny, saingy maro ny manomboka resy lahatra amin’izao fotoana fa sinema no tena betsaka teny Ivato ary tsy lavitr’iny raharaha iny ny resa-bola. Maro tamin’ireo olon’ny Ankolafy Telo no velom-panantenana tamin’ny hetsika nataon’ireo Komity Miaramila ho an’ny Fanavotam-pirenena nanomboka ny alarobia 17 novambra teo, ka nilaza fa ho sahirana ny FAT na tsy mirodana aza. Miova daholo anefa ny zava-drehetra amin’izao fotoana ka mahatonga ireo nanam-pinoana tamin’ny herinandro lasa iny ho kivy tanteraka. Raha ny zava-nitranga rehetra mantsy no dinihana lalina dia matanjaka ny FAT ary tsy mbola misy aloha ny maharodana azy. Ho an’ny ao amin’ny mpanohitra ihany koa dia maro no efa nampionon-tena satria nofinofy ilay hoe hisy miaramila hanampy ny tolona ka handrodana ny fitondran’i Andry Rajoelina.

Toa mitombina ihany ny tsianjerin’ny mpitondra FAT manao hoe iray tsy mivaky ny tafika, ary izay mihoa-pefy tonga dia any am-ponja. Manampy izay dia nahatalanjona ny maro mihitsy ny hoe inona marina ary no tena paikadin’ny fitondrana tetezamita no vitan’izy ireo ny nampilavo lefona ny jeneraly Noel Rakotonandrasana sy ny lietna kolonely Charles Andrianasoavina ? Ary nahoana ihany koa no nanaiky atao sambo-belona i Coutiti ? Iaraha-mahalala izao anefa fa anisan’ireo manamboninahitra tsy manaiky lembenana ary nametraka ny anarany tamin’ny tantaran’ny firenena izy ireo ka nahoana no resy tsy miady tahaka ireny ? Sao dia mitombina ihany ilay tombana fa vela-pandrika natao mba hisamborana ny jeneraly Raoelina iny fikomiana teny amin’ny BANI iny. Ary misy fanontaniana iray goavana ihany koa mipoitra aorian’izay manao hoe : tena tsy nifankahazo marina ve ny lietna kolonely isany Charles sy Lylison sa efa tafiditra ao anatin’ny drafitra ireny mba hamitahana ny sain’ny olona, ka hieritreretan’ny sasany fa miady an-trano ireo miaramila manodidina an’i Andry Rajoelina.

Raha ny marina anefa dia mifankahazo tsara izy ireo fa samy manana ny “mission” hampanaovina azy fotsiny. Tombana ihany izany fa tsy misy mahalala ny tena marina. Azo antoka fa tsy hipoitra mihitsy io tena marina io fa hijanona ho tahiry tahaka ny “grand dossier” rehetra hatramin’izay. Fa ny azo antoka aloha, na inona na inona ambara dia maro ireo manamboninahitra manao politika eto ary efa anjakan’ny vola ny foloalindahy, hany ka manomboka kivy sy ketraka ny olona satria toa lasa samy maka ny azy ny eto fa tsy misy tandroka aron’ny vozona intsony !

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

Hijery ny tohiny
FTT