volam-panjakàna amin’ity antsoiny hoe filànkevitry ny minisitra manakaiky vahoaka ity.
Ny fandanindaniam-poana hafa tany aloha tsy lazaina intsony. Isany io teleferika miantona manelanelana ny lanitra sy tanin’Antananarivo io fotsiny. Firifiry moa ireo lazaina fa kianja manara-penitra nefa na ny tanora hilalao ao aza tsy hita? Ny sekolim-panjakàna nolazaina fa izany nanara-pofona sy nanala baraka ny firenena mihitsy satria ny haino aman-jery vahiny indray tamin’ireny no namotsipotsitra ny tena zava-misy marina teto amin’ity firenena ity. Io mbola mitohy hatramin’izao io ny seho ivelany maro samihafa toy ireny lalaon-jiro sy afomanga tsy nisy toa azy tamin’ny faraparan’ny volana jona ireny kanefa ny firenena tantanan’ny tena amin’io voatomban’ny sehatra iraisampirenena ho isan’ireo mahantra indrindra eto ambonin’ny tany. Tsy milamina ny tontolon’ny asa. Toy izany koa ny fandriampahalemana. Ny toekarena tsy mety tazana hatramin’izao ny paikadim-panarenana azy. Ny resaka fisitrahana fitsaboana sahaza na fiantohana ara-tsosialy izany moa dia io miteraka fitakiana sendikaly lava io hatrany. Ny resaka fahapoizinana sy fanapoizinana ara-tsakafo no mibahana ny matoam-baovao, efa kely sisa dia 2 volana izao. Raha izany no mbola lazaina fa tsy mahamenatra sy tsy mampanongo tena imason’izao tontolo izao dia tsy hita intsony izay ilazàna azy. Ny mpitondra moa dia mbola mihevitra hatrany izany raha ny fihetsiny sy ny fikabariny fa mety sy araka ny heritreriny izany ny fomba itantanany ity firenena ity. Manoloana izany toe-draharaha amin’ny lafiny rehetra izany dia maro amin’ireo mpanara-baovao sy olompirenena no mitabataba eny amin’ny karazam-pantson-tserasera samihafa izay heveriny fa mbola hahafahany mampihatra ny fahalalahany kely sisa omena azy mba haneho hevitra eto amin’ity firenena ity. Eny izy ireo sisa no mba afaka miteny ireo tsy mety ao anatin’izao fomba fitantanana ny firenena izao. Ireo milaza fa mbola mety izao zava-misy izao sisa no hany tena mahazo sehatra itenenana sy hidokadokafana ireo fahefàna mpanatanteraka na mety na tsia ataon’izy ireo. Hatramin’ireo solombavambahoaka izay nantenaina hanitsy ny mibiloka aza moa tsy nisalasala nilaza hoe mety fa tohizo ihany amin’ny hoe «Jamais 2 sans 3!». Samy hotsarain’ny tantara eto!
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.