Edito

Samy hibaiko ny azy


  • Alatsinainy 10 Septambra 2018

Miova ny tantana eto amin’ny firenena taorian’ny nialan’ny filoha teo aloha tamin’ny toerany ny takarivan’ny zoma 7 septambra lasa teo.

 

 

 

Tsy misy olom-boafidim-bahoaka intsony aloha izany eny amin’ny faratampon’ny fitondrana ny firenena, fa olom-boatendry avokoa na i Ntsay Christian na i Rivo Rakotovao. Na hilaza ho tsy baikon’iza na iza aza, dia samy manana ny lehibeny na ny patraony, raha tarafina amin’ny fototra niaingany. Mety samy hanamboatra sy hanatanteraka ny baiko politikan’ireo lehibeny avy, izay samy kandida filoham-pirenena, dia i Andry Rajoelina sy Hery Rajaonarimampianina.  Mampiahiahy hatrany ny resaka fampiasana ny fahefam-panjakana ao anatin’ity raharaha ity satria io no fomba mahomby indrindra hahafaha-mangala-bato, ohatra. Hikoha-maina aza hatao mainka tokoa, fa hisy sery hanilahana, ka tsy atao mahagaga raha misy kandida mamondron-kery sy mivoy ny hoe : ravao any mihitsy aloha io governemanta io ary aleo samy miditra ao satria tsy ho lany e ! Ny kandida sasany indray moa efa mahatoky ny heveriny ho heriny sy fitiavam-bahoaka azy ary mandeha amin’ny fahitsiana, fa ao ireo efa miantehatra sahady tamin’ny propagandy mialoha ny fotoana, ny fahefam-panjakana,… Asa lahy izay hitranga ? Tsy maniry loza fa raha dinihina, dia an-kevitry ny hikorontana ambony ambany i Gasikara raha izao fandehany izao ! Aza hitako aza mahita ahy indray, hoy isika Malagasy izay !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT