Samy mametraka ny paikadiny raha ny fahitana ireo ankolafy politika maro samihafa eto amintsika amin’izao fotoana.
Ao ny miasa mafy mba hahatafita ny famotsoran-keloka sy ny fanatanterahana ireo andininy mahakasika ny fametrahana ny fitoniana ao amin’ny tondrozotra. Misy koa no maika sy dodona amin’ny fandaniana ny lalàna momba ny fifidianana. Eo koa ireo mitazana fotsiny aloha fa tsy dia miroboka be firy ao anatin’ny tetezamita, na dia efa manana olona tafiditra ao ihany aza. Misy koa ireo mivoaka miditra, sady milaza ho tsy momba ny atsy no tsy manohana ny aroa. Na ahoana na ahoana anefa dia tokana ihany ny tanjona ho azy rehetra ireo, dia ny hahazoana vato be indrindra sy hahatafidirana olona maro amin’ny fifidianana izay ho avy eo. Ny fifidianana solombavambahoaka sy filoham-pirenena moa no tena maha somebiseby ny rehetra, satria ireo no azo ambara fa fifidianana goavana eto Madagasikara. Antom-pisian’ny antoko ny fahazoana fahefana sy fitantanana ny firenena, indray andro any…
Mavaivay ny adihevitra momba ny tondrozotra sy ny tetezamita iaraha-mitantana tato ho ato izay, satria mahazo tombony avy hatrany izay tsaratsara toerana sy manana olona maro ao anatin’ny tetezamita, rehefa ho avy ny fifidianana. Mbola eo am-pianarana ny demokrasia i Madagasikara, na dia efa tamin’ny 1991 aza no nambara fa nitsoka teto ny rivotry ny fanovana ka nanomboka nalalaka ny fanehoan-kevitra sy ny fananganana antoko politika. Mbola mila mianatra be ny mpanao politika Malagasy. Mila mianatra tahaka izany koa ny Malagasy mpifidy, satria mifampiankina izy roa tonta ireo, ary rehefa samy mahafantatra tsara ny andraikiny sy manaja ny soatoaviny tsirairay avy dia hanomboka hilamina amin’izay ny fiainana eto. Ekena fa tena mbola lavitr’ezaka izany, saingy tsy maintsy atomboka ny asa, raha miandrandra fanovana marina.
Mety ho sarotra ny mikaroka ny marimaritra iraisana eo amin’ny samy mpanao politika, saingy raha samy tena mijery ny tombontsoa ambonin’ny firenena marina dia tokony ho mora ny fikarohana vahaolana. Azo atao tsara ny manadihady ireo mpitondra nifandimby momba ny fomba nitantanan’izy ireo ny firenena sy ny volam-bahoaka. Tsy voatery ao anatin’izao tetezamita izao no hanaovana izany fa rehefa feno sy tomombana ny fepetra rehetra ary misy ny rafitra mazava hiasa amin’izany. Fa raha toa ka fanenjehana sy fisamborana ary fanagadrana foana no tantaraina isan’andro izao, dia tsy hisy raharaha ho vanona eto, ary nofinofy izany fifidianana madio sy mangarahara amin’ity taona ity izany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.