Edito

Samy diso


  • Alakamisy 05 Martsa 2015

Toetra efa raiki-tapisaka amin’ny olombelona, raha araka ny fandinihan’ny manampahaizana ny miaro tena. Toetra izay mitarika toetra na fomba fisainana iray hafa dia ny manilika ny fahadisoana foana any amin’ny hafa. Izay ny maha zava-dehibe ny handinihana sy handalinana tsara ny tranga iray mialoha ny hanehoan-kevitra na hamoahana didy, ohatra, raha raharaham-pitsarana no


resahana. Resabe ankehitriny ny tondra-drano sy ny momba ireo traboina, ny fandravana trano tsy maintsy atao…Maro be ny fanehoan-kevitra etsy sy eroa, saingy ny hamehezana dia tsotra : samy diso ny rehetra, diso ireo olona tsy nijery lavitra fa nanorina trano tamin’izay toerana hitany na noheveriny fa malalaka, diso ny fanjakana nanaiky ny nanorenan’ireny olona ireny ny tranony. Lazaina fa tsy mety ny fanorenana trano ambony lakandrano ka misy ny trano maromaro tsy maintsy horavana eto an-drenivohitra. Iza no sahy milaza fa mety koa ireo fanorenana trano marobe eny ambany tanàna eny ? Mety ve ny fanarian’ny olona fako ao anatin’ny lakandranon’Andriantany ? Azo ekena ve ny tokantrano tsy manana lava-pako, tsy manana dabam-pako, tsy manana lavapiringa ? Mbola resaka hafa ny fanotofana tanimbary etsy sy eroa. Efa nitombo 4 avo heny ny mponina eto an-drenivohitra kanefa dia mbola fotodrafitrasa tamin’ny vanim-potoanan’ny fanjanahantany no ampiasaina eto ary tsy nisy fikojakojana ara-dalàna mihitsy nandritra ny taona maro. Mila mandray lesona amin’izao zava-mitranga izao ny rehetra fa misy antony matoa asiana lalàna sy fitsipi-pifehezana, fa raha samy manao izay tiany sy maha metimety azy fotsiny dia korontana sy fahasahiranana no vokany, na ho ela na ho haingana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT