Edito

Samy 7 taona nitondrana izao ihany !


  • Talata 15 Jona 2021

Miditra amina hafainganam-pandeha mafy dia mafy mampiseho ny maha TGV azy ny Filoha ankehitriny sy ny ekipany amin’izao fotoana izao

 

  amin’ny fampanantenana an’izatsy tsy izaroa. Moa tsy toy ireny mbola vanim-potoanan’ny propagandy ireny isika? Lasa aloha ny propagandin’ny 2023 satria izay no azo hamehezana ny zava-misy. Ny an-tratra tsy lavo dia antsoy ihany koa Rainilahibe! Marina tsy azo lavina ilay hoe: manao ny tsy nataon’ny teo aloha nandritra ny 60 taona, ekena fa misy zavatra mitsangana,… saingy soa fa nisy an’ireny mba hireharehana, fa raha ny tena vokatra tena miantraika amin’ny sosialim-bahoaka sy ny toekarena, dia tsaratsara kokoa raha maka sisin-tosy. Sasatry ny midoka tena, manenjika ny hafa ho tsy nahavita. Moa tsy ity Fitondrana Rajoelina ity no fanaperana indrindra tao anatin’ny 60 taona raha ny fomba firesany sy ny fanandrantan-tenany? Mbola tsy nisy an’izany harin-karena faobe niiba -4,2% izany angamba anefa hatramin’ny naha Madagasikara an’I Madagasikara, raha tsy ity Fitondrana ity. Miteny ho azy ny ny filaharana maneran-tany, samy 7 taona nitondrana izao ihany, fa raha tany amin’ny faha-145/188 isika talohan’ny 2002, dia mba niakatra tany amin’ny 123 ny 2008. Nivarina 151 ny 2009-2014, ary amin’izao 2021 izao dia any amin’ny faha-186. Samy nandray firenena tao anatin’ny krizy ihany ireo Filoha roa teo aloha mbola mpifandrina hatramin’izao, dia ny 2002 sy 2009, fa ny iray nahatafiakatra ny harin-karena faobe tany amin’ny 7,1% ary ny iray nampitotongana tany amin’ny 3,3%. Namantana ny ezaky ny olona 5,2% indray ny 2018, saingy nanetry izany tany amin’ny -4,2% aty amin’ny 2021. Tsy resaka tsangan’olona, fa azo tsaraina amin’ny vokatra ny tsirairay. Ny laharampahamehana sy ny fahaizana no mitondrana an’io. Lasa haingo ambony tsikoko izany, raha toa ka ny olona aza fadiranovana tsy manana asa, tsy misy hoanina ka ataony inona kianja sy pisinina? Sao dia mitombina ihany ilay vazivazy hoe: sao dia mba Filohan’ny federasionin’ny baolina kitra na minisitry ny fanatanjahantena no metimety kokoa fa toa henjana ilay mitantana firenena ?

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT