Edito

Samia tonga saina e !


  • Alakamisy 01 Desambra 2016

Fifandresen-dahatra amin’ny mpamatsy vola tanterahina any Paris renivohitra Frantsay indray izao no malaza taorian’ny fihaonana an-tampon’ny frankofonia

. Mifanasa vangy any an-toerana ny mpamatsy vola sy ny mpitondra Malagasy manomboka anio. Fifandresen-dahatra no atao ary kolontsaina tsy mitovy no ampiadiana sy ampifanakaikezina. Iarahan’ny rehetra mahalala fa ny fikaonan-doha dia midika fifandresen-dahatra ary tsy maintsy hivoy ny heviny sy hiezaka hampanjaka sy hametraka ny foto-pisainany ny an-daniny sy ny an-kilany. Raha ny tokony ho izy dia isika no  tambazan’ny mpandraharaha vahiny noho ny sehatra eto amintsika mbola malalaka sy misokatra, saingy mbola isika aloha izao no miezaka milela-paladia etsy sy eroa noho isika toa efa voazanaka ara-tsaina sy ara-panahy, ka ataon’ny hafa fitaovana sy ampifilafilaina lava izao. Tsy mba haintsika mihitsy ve no mametraka ny toeran’i Madagasikara amin’ny tokony ho izy, ka ilay tany mamintsika sy hireharehantsika ho manankarena sy tsiriritin’ny hafa no andeha hataontsika fitaovana hisintonana ny vahiny hanampy antsika ? Nahoana no isika indray no hilela-paladia amin’ny olona hanovo tombontsoa eto amintsika ? Fotoana izao tokony hampisokatra ny sain’ny isam-batan’olona mba ho tonga saina sy hiara-mientana amin’ny soa iombonana ka tsy hanaiky hataon’ny hafa tohatra eto foana.  Ny fahatongavan-tsain’ny vahoaka sy ny mpitondra no hany vahaolana fa raha tsy izany dia eto foana isika no horaisina fa ny hafa lasa ihany e !

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT