Edito

Samia mijery fitaratra !


  • Talata 27 Martsa 2018

Na ny mpitondra na ny mpanao politika na ny vahoaka dia samy mifanome tsiny sy mifanilika ny hadisoana daholo. Ambentin-tenin’ireo mpanara-baovao fa ireo miaramila na ny fitsarana eto mihitsy no fositra.


Ny an’ny mpanao politika indray dia ny fitondrana nifandimby no antony. Ny an’ireo fitondrana nifanesy moa dia tao ny nahatonga ilay hira iray izay hoe « Tsy mbo ‘zah ». Tao ny nilaza ho nandova trosa tamin’ny teo aloha ary ny ankehitriny moa dia ny talohany rehetra no nampijabaka azy ankehitriny, raha fehezina ny voalaza. Fa iza moa no nisafidy ny ho eo an-tampony eo mba tsy hilazana fa nibodo ? Tsy ianao izay efa niniana ny hanafaka ny firenena ao anaty fahantrana ve ? Tsy ianao izay miaiky fa maneran-tany ny fiakaran’ny vidim-pianana ? Sao tokony samy hijery fitaratra aloha ny tsirairay hanontany ny tenany hoe inona no mba efa vitako teto amin’ity fireneko ity ?  Ohatra fanaon’ireo niofana momba ny haitarika na « Leadership » matetika ilay tenin’ny filoham-pirenena amerikanina teo aloha izay anisan’ny heverina fa mbola mampatanjaka ity firenen-dehibe ity hatramin’izao hoe « Mialoha ny hametrahanao fanontaniana hoe inona no tokony hataon’ny firenena amiko dia anontanio aloha izay tokony hataonao amin’ny firenenao. ». Rahoviana ary izany no hampiharina ary iza avy no sahy hanao fitarihana mahomby hampihatra azy ? Samia mijery fitaratra !

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT