Edito

Samia maka lesona e !


  • Alarobia 23 Novambra 2016

Na inona na inona tsy fitovian-kevitra sy tsy fitoviam-pijery manoloana ny frankofonia, dia tokony hisy foana ny lesona tsoahina avy amin’izany mba tsy ho lany andro amin’ny adihevitra tsy mitondra mankaiza eto isika.


 Ho an’ny sarambabem-bahoaka mantsy dia lany andro manakiana fotsiny, ka milaza fa tsy ilaina ny frankofonia. Mimenomenona fotsiny hoe mandany vola fahatany ny mpitondra ary tombontsoa sy bizina ho an’ny tompon’andraikitra ambony sy ny manodidina azy no betsaka. Azon’ny vahoaka natao tsara ny nampiasa ny fahefany ka nanery ny mpitondra hitondra fanazavana tamin’ny antsipiriany ny tena tombontsoam-bahoaka mba hisian’ny mangarahara, fa tsy miraviravy tanana fotsiny, ka toy ny milaza amin’ny mpitondra hoe manaiky matoa tsy miteny. Raha hanaiky lembenana foana dia aleo tsy miteny sy tsy mimenomenona fa lany andro eto fotsiny. Lesona ho an’ny mpitondra sy izay hitondra aoriany mba hisorohana ny amboletra sy ny kitoatoa mety hitranga ny zava-misy, ka na misy aza ny kiana mivaivay dia tsy tokony homena lamosina sy raisina ho fahavalo izay miteny fa hanatsoahana lesona mba hahafaha-miatrika ny zavatra hatao aoriana. Matoa tonga amin’izao ny raharaha dia samy tompon’andraikitra ny rehetra ka mila samy miaiky ny hadisoany fa tsy hifanenjika sy hifanome tsiny lava eto ka ataon’ny hafa fihomehezana.

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT