Edito

Sambory amin’izay e !


  • Zoma 04 Jolay 2014

Mampanontany tena ihany rehefa tena dinihana ny fitarazohan’ny fisamborana sy fanolorana any amin’ny fitsarana ireo lohandohan’ny mpisorona amin’ny trafikana boaderozy eto amintsika. Efa fantatra daholo anefa ny anaran’izy ireo sy ny toerana misy azy. Ary raha mila fiaraha-miasa sy fanampiana aza ny fitondram-panjakana Malagasy dia afaka miresaka tsara amin’ny mpitondra ......

Sinoa satria any Sina no hanondranana ny 90 %-n’ny boaderozintsika nanomboka tamin’ny 2009. Efa mahafantatra an’izany avokoa ny rehetra fa dia samy mody fanina fotsiny marina angamba. Ny olon-tsotra moa afaka hanao inona, fa ny manampahefana,  izany hoe ny mpitondra fanjakana no afaka mihetsika sy misambotra ireo olona ireo, mba hatao fanadihadiana. Ireny izao  ny filoha Frantsay teo aloha Nicolas Sarkozy notazonina am-ponja vonjimaika, nohadihadiana nandritra ny 14 ora, mba hahafantarana ny tena marina. Ka nahoana moa no tsy atao tahaka izany ny eto amintsika. Fa miandry efa ritra daholo ve ny hazo sarobidy any avaratra atsinanan’ny nosy vao hihetsika ny mpitondra ary hampiseho fa manampahefana tokoa izy ary mahavita miaro ny harem-pirenena ? Efa maro ihany izay fanaraha-maso sy fanangonana porofo natao izay, manana dosie matevina momba an’io ny governemanta Beriziky ary efa eny am-pelatanan’ny governemanta Kolo Roger indray ireo dosie ireo ankehitriny, ka inona no mbola andrasana e ?  Sa kosa misy tafiditra ao anatin’ity raharaha boaderozy ity ny mpitondra sasany amin’izao fotoana ka  mbola miaro ny rambony tsy ho tapaka aloha no maha maika azy, ka rehefa madio ny ravina nihinanana vao hanenjika ny hafa amin’izay ? Teratany Sinoa iray, mpandraharaha Malagasy roa matanjaka no lohandohan’ny mpisorona amin’ity resaka hazo sarobidy ity. Hatreto anefa dia milamin-tsaina tsara ireo olona telo ireo ary tsy voatohintohina mihitsy ny bizina ataony. Sambory amin’izay e !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT