Andro sisa isaina dia higadona ilay fotoana hamoahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny voka-pifidianana ofisialy.
Valiny andrandrain’ny maro fa hiainga amin’ny ara-drariny fa tsy hisy fitanilana sy fanaronana ny marina sy mifototra amin’ny hosoka, toy ny nataon’ny andrim-panjakana nikirakira ny fikarakarana ny fifidianana. Na inona na inona mantsy lazaina dia sokajiana fiezahana handevina ny fahamarinana ny nanaovana amboletra namoahana valim-pifidianana tsy hahafahana manohy ny fanaporofoana fa tena nisy ny hosoka sy halatra. Ho fanakonana ny marina sy ny rariny io, dia raikitra ny fandrangarangana hery amin’ny alalan’ny basy aman-tafondro hamoretana vahoaka. Rehefa tsy re nandritra izay fotoana ela izay ilay vaomiera nisahana ny fifidianana, dia hanao fanambarana indray ny alatsinainy izao, ka ho hita eo indray izay hotenina e ! Hamendrofendro sy hanadio tena ve ? Fa taiza hatramin’izay no tsy niteny sa kosa mbola nandamina sy nanomana ny fiarovan-tena handaminan-dresaka ? Mbola hisy hino izay ho ambarany ve? Mivoaka indray izao, ohatra, ny resaka fa nisy nisandoka ireo olona marobe voasoratra tao anaty lisitra tamina birao fandatsaham-bato miisa 5 254 isa ka nolazaina fa nifidy daholo tsy ankanavaka ary tsisy tamingana ireo rehetra voasoratra, na ny efa maty na ny anarana miverin-droa sy ny efa nifindra monina, nambara fa nifidy iny kandida toa nomena vahana iny tamin’ny 100% ny ankamaroany. Tsy mbola nisy maizina mandresy ny mazava izany, kanefa mila ezaka sy faharetana ny ady amin’ny faharatsiana, ka tsy tokony ho ketraka ny vahoaka mangetaheta fahamarinana sy fihatsaram-piainana miainga amin’ny fametrahana mpitondra tena apetraky ny vahoaka fa tsy mpividy fahefana amin’ny alalan’ny tetika maloto. Tahaka ny sambo-balala mainandro ny fitakiana ny fahamarinana, ka raha tsy azo anio azo rahampitso e ! Na inona kabary natao, na inona fampanantenana paradisa dia mitombona lalandava ny hoe : vao aty amin’ny fifidianana aza dia efa mangalatra sy manao hosoka mainka fa tonga eo amin’ny fitondrana. Ny hosoka sy ny kolikoly no ho fototra iorenan’ny Repoblika, ary fandrobana sy fangoronana harem-pirenena izany no lehibe indrindra. “Aleo halan’andriana toy izay halam-bahoaka”, hoy ny ohabolan-drazantsika, ka irariana mba ho ny feom-bahoaka mitaky ny rariny sy ny marina no hohenoin’ny andrim-panjakana afaka mamoaka ilay didy tsy azo hivalozana mba hilaminan’ny ambanilanitra. Miandry isika e !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.