Samy milaza azy ho kristianina daholo amin’izao ny ankamaroan’ireo mpisehatra politika goavana eto amin’ny firenena.
Teny ao anaty baiboly avokoa ny “Ny fitiavana no lehibe indrindra”, “Minoa fotsiny ihany”, ny “Sambatra izay henjehina noho ny fahamarinana”. Ireo teny roa voalaza voalohany dia efa teny filamatra ataon’ireo kandida ho filoham-pirenena 2 ambiny hiatrika ny fihodinana faharoa ho toy ny ampingany avy. Ilay fahatelo kosa dia tsikaritra fa tsy dia fampiasan’ireo mpisehatra politika loatra. Inona no antony ? Ny misy mpanamarina matetika dia ilay tapany voalohany amin’io teny io hoe “sambatra izay henjehina”. Mahafinaritra ahy mihitsy, hoy ilay mpandraharaha malaza tato ho ato izay, ny mandre ireo fanenjehana ahy satria ahafahako manitsy ny ataoko any aoriana. Ny olona tsy misy mpanenjika dia tokony hieritreritra, hoy izy. Matoa be mpanenjika dia manao zavatra miavaka ianao izay. Ny mahagaga tokoa tato anatin’izay fotoanan’ny fifidianana izay dia ireo be mpanenjika indrindra indray no hita ho nahazo ny tapakila any amin’ny fihodinana faharoa amin’ny fifaninanana hahazoana an’Iavoloha. Ny iray amin’izy mirahalahy aza moa dia efa faka tahaka mihitsy. Ny mahagaga dia ilay mpanenjika azy ihany no hita ho manao dika mitovy ny ataony. Ireo henjehina aza no sambatra ka mainka fa noho ny fahamarinana koa fanampin’izay no hanenjehana azy ireny ? Tsy misy hasambarana mihoatra izany ! Toa izay be mpanenjika hatrany no tazana ho mamim-bahoaka sy be mpaka tahaka ary mpaka filamatra. Efa niaraha-nahalala fa nitondra fandrosoana na dia ninian’ireo mpanenjika nofinganina sy nikipiana aza izay mety hatsarany. Asakasak’ireo izay fatra-pandany andro amin’ny fanenjehana lava tokoa aloha fa dia hisaorana izy ireny satria mpanolotra hasambarana !
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.