Sambany teo amin’ny tantara !

Rahampitso 16 novambra no daty nofaritana hanaovana


  • Alarobia 15 Novambra 2023

ny fifidianana na eo aza ny lonilony. Sambany teo amin’ny tantaram-pirenena no nisy endrim-pifidianana tahaka izao

na ekena aza fa nisy ny lesoka ireo tany aloha. Ekena fa tsy misy ny tonga lafatra, tsy mora ny manao zavatra, fa na izany aza betsaka ny ahiahy, fa anjaran’ny tsirairay moa ny mandinika sy mieritreritra izay tokony hataony. Hita taratra ny terisetra, fandikan-dalàna amin’ny endriny maro, fanitsakitsahana ny fiandrianam-pirenena, fiandaniana politika sy fanomezana vahana ny kandida, fikipiana eo anatrehan’ny lesoka,... Sambany teo amin’ny tantara no lasa olana ny firotsahan’ny kandida iray manao amboletra noho ny efa fahaverezan’ny zo maha Malagasy azy. Iniana hikipiana sy havilivily ny lalàna, ary tratry ny fiampangana ho minia mikipy sy mitsikombakomba ny mpanapaka. Tahaka izany ihany koa ireo endrika fandikan-dalàna nametrahana ireo mpitantana ankehitriny, izay olona napetrak’ilay Filoha teo aloha izay lasa kandida, ary miharihary ny fiandaniana. Sambany teo amin’ny tantara ihany koa no nisy fijoroan’ny kandida maro an’isa nitarika vahoaka hitakiana fanadiovana fifidianana, saingy herisetra, fisamborana, fanagadrana,… no setriny. Manginy fotsiny ny fisiana kandida tsy afaka niatrika ny raharaham-pifidianana fa voatery nitsabo tena any ivelany noho ny fandratrana nataon’ny mpitondra am-perin’asa kanefa dia verezin-jo ? Ekena fa mety miezaka ireo rafitra samihafa, saingy tsy takona hafenina ny lonilony, hotakotaka, izay vao mainka mety hanamafy ny tsy fahamarinan-toerana ara-politika. Mbola tsy nisy tao anatin’ny tantaran’ny firenena izany hoe : tapa-bolana mialoha, herinandro mialohan’ny fifidianana no misy fisamborana sy fanagadrana vahoaka mananika ny 20 isa, fisamborana solombavambahoaka, fisamborana kandida izay efa fanindroany izao… Anjaran’ny isam-batan’olona no misaintsaina ny tokony hataony eo anatrehan’ny zava-manjo sy ny loza mandindona ny firenena ankehitriny !

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT